Alakamisy 24 Desambra 2026

Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika ; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolotsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrianan’ny fiadanana. Isaia 9:5

Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra ! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahiny. Lioka 2:14

 

Ny nahaterahan’i Jesosy

Ndao hiverina hiaina vetivety ny zava-miafina momba ny nahaterahan’i Jesosy.

„Nirahin’Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta, ho any amin’ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin’ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin’ny taranak’i Davida ; ary ny anaran’ny virijina dia Maria. Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe : Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao. Voatahy samy vehivavy ianao. Ary taitra loatra izy noho ny teniny, ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany. Ary hoy ilay anjely taminy : Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin’Andriamanitra ianao. Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe JESOSY. Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra ; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny sezafiandrianan’i Davida rainy ; ary hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy ; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana” (Lioka 1:26-33).

„Ary nisy mpiandry ondry tamin’izany tany izany, nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin’ny alina. Ary nisy anjelin’ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy. Ary hoy ny anjely taminy : Aza matahotra ; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra ; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo. Ary izao no ho famantarana ho anareo : ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona… Dia nandeha faingana izy (ireo mpiandry ondry) ka nahita an’i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona” (Lioka 2:8-12, 16).