Alarobia 23 Desambra 2026

Ny filazantsara … [dia] herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino. Romana 1:16

 

Vaovao mahafaly

Fantatra, eo amin’ny asa fanaovan-gazety, fa mba hisintonana ny sain’ny olona, ireo „vaovao” dia tokony hanana lohateny mahasarika ny mpamaky.

„Vaovao mahafaly”, lohateny mahasarika ve izany ? Io fiteny io dia avy amin’ny teny grika fototra „evangélion”, nampiasain’ny mpitondra hafatra izay nanambara fandresena taoriana-na ady. Tena Vaovao Mahafaly tokoa io. Araka izany, ny Filazantsara ihany koa dia vaovao milaza fandresena.

Isika ve mba efa nifantoka tsara tamin’io lohateny mahatalanjona io ? hoe : „Ny Vaovao Mahafaly”, ny Filazantsaran’ny Tompo Jesosy Kristy. Izany no vaovao milaza ny fandresena lehibe indrindra azo hatramin’izay. Hafa noho ny fandresena rehetra io, ary mihoatra noho izy rehetra. Io Vaovao Mahafaly io dia tsy tokony ho sahintsika atao tsinontsinona.

Jesosy Kristy tokoa mantsy, tamin’ny nahafatesany sy ny nitsanganany velona indray, dia nandresy ilay fahavalo lehibe izay nanohitra an’Andriamanitra : nandresy an’i Satana. Io mpanohitra io dia nitarika ny olombelona rehetra ho eo ambany vahohony, ary ny vokatr’izany dia ny fahafatesana sy ny ota. Ny fandresen’ny Tompo Jesosy Kristy no manafaka antsika amin’ny ota, izay nampisaraka antsika tamin’Andriamanitra, ary manafaka antsika amin’ny fahafatesana.

Ny vaovao milaza io fandresena io no mameno ny Testamenta Vaovao (fizarana faharoa amin’ny Baiboly). Miely manerana izao tontolo izao io vaovao io, mba hahafahan’ny rehetra misitraka ny fandresena azon’i Jesosy Kristy. Ho amin’izany, ny tsirairay dia tokony hino Ilay Zanak’Andriamanitra sy hanaiky ny fahafatesany nitondra fanavotana. Amin’izay ny herin’Andriamanitra dia manafaka azy amin’ny fitsarana mendrika ireo fahotany, manova ny fiainany dieny izao, ary mitondra fahasambarana mandrakizay ho azy, eo amin’ny fanatrehan’i Jesosy.