Talata 22 Desambra 2026

Homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. Ezekiela 36:26

 

Fo vato

Teny amin’ireo arabe tao amina tanàn-dehibe iray dia nisy vehivavy kristiana iray nizara isam-potoana trakitra mikasika lohahevitra isan-karazany ao amin’ny Baiboly, atolony tanana. Teo an-kianja manoloana ny fiantsonan’ny fiarandalamby dia nisy mpamily fiarakaretsaka iray, matetika nandray ireny trakitra ireny. Indray andro anefa izy dia nandà mafy, tamina teny henjana hoe „misaotra !”

— Odre ! tsy nahafinaritra anao angaha ilay trakitra farany ? hoy ilay vehivavy kristiana nanontany.

— Tena nahafinaritra ka, nefa raha mbola manohy mamaky azy ireny aho, dia tsy maintsy manova fiaina… Tsy azo eritreretina !

Takatra izany fihetsika izany, raha tsy mahafantatra ny herin’i Jesosy Kristy, Ilay Mpamonjy manafaka amin’ny fiankinan-doha. Ary Andriamanitra dia tsy mieritreritra fa hisy olona hanova amin’ny alalan’ny herin’ny tenany samirery ny fiainany tsy misy an’Andriamanitra. Tsy vitan’ny olombelona ny manova ny „fo vato”-ny taloha. Andrasan’Andriamanitra isika hahatsapa fa tsy fahombiazana io fiainana tsy misy Azy io, hiaiky aminy ireo fahotantsika, ary hino fa mahay manafaka antsika Izy sady te hanafaka antsika.

Dia omen’Andriamanitra antsika ny fiadanany, omeny fiainam-baovao isika, omeny fo vaovao tia ny tsara. Omeny antsika ihany koa ny hery hanaovana ny tsara, sy handosirana ny ratsy, handavana izany. Andriamanitra Izy tenany mihitsy no manatanteraka io fanovana hatrany ifotony io : antom-piainana vaovao sy tanjona vaovao, mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, no manentana ny fiainan’ny mpino.

Io lehilahy io ve hisafidy ny hitoky amin’Andriamanitra, ny hahafoy ireo fahazarany izay tiany sy fantany fa tsy ankasitrahin’Andriamanitra ? Aoka isika tsy hatahotra fanovana tahaka izany, izay ilaina ho an’ny fiainantsika eto an-tany, ary tena fototra ho an’ny any ankoatra. „Fa momba anao hamonjy sy hanafaka anao Aho, hoy Jehovah” (Jeremia 15:20).