Alatsinainy 21 Desambra 2026

Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra, sady manana aretina tsy azo sitranina ; iza moa no mahafantatra ny aminy ? Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo. Jeremia 17:9-10

(Hoy Jesosy :) Tsy maintsy hateraka indray ianareo. Jaona 3:7

 

Ny ilàna fiovana hatrany ifotony

Nihatsara ve ny zanak’olombelona ? Ny Baiboly dia milaza amintsika fa tsy hay ahitsy ny fontsika, ary Jesosy dia manampy hoe : „Avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony”, no ivoahan’ny sain-dratsy rehetra… (Marka 7:21). Topimaso fohy ao anaty dia ahafahan’ny tsirairay mahatsapa izany.

Dia ampahafantarin’ny Filazantsara antsika fa tsy vitantsika ny manatsara ny tenantsika, mba ho marina eo anatrehan’Andriamanitra. Manolotra antsika fanavaozana feno Izy : „Tsy maintsy ateraka indray ianareo”, hoy Jesosy tamin’i Nikodemosy (Soratra Masina etsy ambony). Nefa ahoana no handraisana izany aina vaovao izany ? Mamaly Jesosy hoe : „Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy” (Jaona 3:5).

Eny, Andriamanitra no mampisy io aina io, raha manokatra aminy ny foko aho, ary mino ny Teniny, ambaran’ny rano, eto. Mahery ny Teniny, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, manadio ny ato anatiko, mamboly ny ain’Andriamanitra ato amiko, ary mampiditra ahy any amin’ny fanjakany, izay anapahan’ny „fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina” (Romana 14:17). Hoy Jesosy : „Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5:24). Fiovana hatrany ifotony no mitranga ao anatin’ny mpino : miala tao amin’ny haizina izy, ho ao amin’ny mazava. Io Teny velona io, tahaka fanilo, dia tonga mba hanazava ny hamaizinan’ny fiainantsika taloha, izay iekentsika eo anatrehan’Andriamanitra. Miaraka amin’izany io Teny io dia manome antoka antsika ny amin’ny fahasoavany, miorina eo amin’ny sorona nataon’i Kristy, maty ho antsika ary nitsangana velona indray. Izay mino dia nateraka indray.