Alahady 20 Desambra 2026
Tsy nisy nahita an’Andriamanitra, na oviana na oviana ; fa ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy. Jaona 1:18
… nampitenenany (… nampitenenan’Andriamanitra) tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra ; Izy no nahariany izao tontolo izao. Hebreo 1:2
Misy olona milaza fa tsy afaka hino an’Andriamanitra. Ny iray amin’ireo tohan-kevitra heno matetika dia hoe : ahoana no hinoana Izay Andriamanitra tsy afaka hitan’ny masontsika akory, sy hinoana Azy raha tsy miteny amintsika Izy ?
Mifanohitra amin’izany ny ambaran’ireo andinin-tSoratra Masina androany. Nangataka hahita maso an’Andriamanitra i Mosesy, nefa namaly Andriamanitra hoe : „Tsy mahazo mahita ny tavako ianao ; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona” (Eksodosy 33:20). Ny halehibe tsy manam-petran’Ilay Andriamanitra Mpahary sy ny hakelin’ny olombelona dia tokony hampanaiky antsika fa tsy afaka mahita an’Andriamanitra isika.
Nefa Andriamanitra dia nampiseho ny halehibeny, tamin’ny nahatongavany ho nofo tao amin’i Jesosy Zanany, Zanak’i Maria. Eny, io Andriamanitra tsy hita amin’ny mason’olombelona io, Izy Ilay Fisiana faratampony, Ilay Mpahary ny zavatra rehetra, dia afaka hita teto an-tany. Tsy zava-miafina izany, fa toejavamisy raisin’ny finoantsika.
Satria nietry ambany loatra ve Andriamanitra, ka tsy afaka hino Azy ianao ? Satria ve Izy tonga niteny tamintsika tahaka olona miresaka amin’ny sakaizany, ka tsy afaka mandre Azy ianao ? Nefa dia izany ny Kristy, Andriamanitra teto anivon’ny olona, Olona akaiky, Namantsika ! Ao amin’ny Filazantsara, Jesosy tenany mihitsy no manazava fohy ny asa nanirahana Azy tetỳ anivon’ny olombelona (Soratra Masina androany). Tonga Izy mba hampahita antsika an’Andriamanitra… ary mihoatra noho izany aza, hampahita antsika ny Ray.
Rehefa nangatahin’ny mpianany iray Jesosy hoe : „Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay”, dia namaly azy hoe : „Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” (Jaona 14:8-9). Izao ny Vaovao Mahafaly : afaka nahita an’Andriamanitra tao amin’i Jesosy isika.