Asabotsy 19 Desambra 2026

Asandrato ny masonareo, ka mijere ; iza no nahary ireny ? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza. Isaia 40:26

Hanamarina ny Mpanao ahy aho. Joba 36:3

 

Dia mandroso sy miverina avy eto an-Tany mankany amin’ny Volana

Ny 21 desambra 1968 dia nahavita nivikina ny elanelan’ny Tany sy Volana ny sambondanitra Apollo 8, ary nihodidina impolo ny volana aza. Ireo mpanamory sambondanitra amerikana telo lahy, William Anders, Jim Lovell ary Frank Borman dia nandinika lalina ny velarana maloka sy tsy misy ainan’ny Volana. Nefa dia hitany koa ny Tany misy ny manana aina, zavakanto miloko manga misoratsoratra fotsy sy vonivony. Nangatahina izy ireo hampita hafatra ho an’ny mponin’ny Tany, ny andro mialoha ny Noely. Hoy ny NASA (ny sampam-pitondrana amerikana misahana ny fanamoriana ana habakabaka) tamin’izy ireo : „Milazà zavatra tandrify”. Azo an-tsaina ny hasanganehan’izy ireo ! Inona no hafatra mety ho maneran-tany, mety ho lehibe ? hitantarana fa misy olombelona mitazana ny Tany avy any amin’ny habaka, any amina halavirana toy izany.

Ny talata 24 desambra 1968, tamin’ny 8 ora sy 57 alina, dia re tamin’ny fampielezam-peo ny feon’ireo mpanamory sambondanitra : „Manakaiky ny fiposahan’ny masoandro eo ambonin’ny Volana izahay. Ho anareo rehetra eny ambonin’ny tany, miteny aminareo ny mpiantsambondanitra Apollo 8…” Nihaino izao tontolo izao, nanongilan-tsofina. Niteny i William Anders : „Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny Tany…” Nandritra ny telo minitra teo ho eo, dia nifandimby izy telo lahy namaky ny andininy folo voalohany ao amin’ny Genesisy.

Tsy hay hatao ny haminavina fijoroana ho vavolombelona mahery sy maneran-tany mihoatra noho izany : tamin’ny alalan’ny feon’izy ireo, Andriamanitra ihany koa no niteny tamin’ny olombelona rehetra eto an-Tany. Nampahatsahiviny azy ireo fa Izy no Mpahary izao tontolo rehetra izao, ity tontolo mahatalanjona onenan’izy ireo sy noarìny ho azy ireo ity. Vavolombelon’ny fitiavany araka ny maha Mpahary Azy, ary mihoatra noho izany aza, vavolombelon’ny fitiavan’Ilay Andriamanitra Mpamonjy antsika, amin’izao ankatoky ny Noely izao.