Zoma 18 Desambra 2026

Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy, Izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany. Isaia 46:9-10

Indro, avy faingana Aho ; sambatra izay mitandrina ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity. Apokalypsy 22:7

 

Faminavinana sa faminaniana ?

Inona no hoentin’ny taona ho avy ho antsika ? Mba tiana ho fantatra izany… Ny mpanao valan-dresaka (mpahay tontolo, mpahay olona, mpahay toekarena, filôzôfa…) dia miezaka hamantatra ny hoavy. Ny haino aman-jery sasany dia miantso mpahita, mpisikidy na mpanandro, mba hahafantarana ny faminavinan’izy ireny ny taona ho avy.

Ny mpino dia mahafantatra fa ireny vinavina rehetra ireny dia tena manjavozavo mandrakariva, ary diso aza matetika. Fantany koa fa mampitandrina antsika ny Baiboly hoe : „Aoka tsy hisy eo aminao… na mpanao fankatovana, na mpanandro” (Deoteronomia 18:10).

Fantany fa Andriamanitra irery ihany no mahalala ny hoavy. Ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra, dia azo antoka. „Manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika ; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara… mandra-pahazavan’ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarikandro” (2 Petera 1:19).

Faminaniana maro ao amin’ny Baiboly no efa tanteraka. Ny fahatongavan’ny Mesia tokony ho 2000 taona lasa izay, ny fandavana Azy, ny fahafatesany sy ny fitsanganany velona indray dia efa nambara taonjato maro mialoha. Misy hafa ho tanteraka tsy ho ela. Jesosy dia nampanantena ny mpianany hoe : „Raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14:3). Ny mpino dia miandry isanandro ny fahatanterahan’io fampanantenana io. Fampaherezana toy inona moa izany ! mba hiainana eo anivona tontolo tsy manana hoavy tena azo antoka ! Jesosy Kristy no fototra iorenan’ny finoany, oha-piainana ho azy, fanantenany. Izy no tanjona mitarika ny lalany, toy ny fitarikandro manambara ny fiposahan’ny andro.