Alakamisy 17 Desambra 2026

Efa nasiako tamin’ny vary main’ny rivotra sy maty fotsy ianareo ; ny habetsahan’ny tanimbolinareo sy ny tanimboalobokareo sy ny aviavinareo sy ny hazo olivanareo dia nohanin’ny valala ; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. Amosa 4:9

Misy fanao iray itenenan’Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ny olona izany. Joba 33:14

 

Miomàna ianao !

Tsy misy taona iray tsy itrangana loza voajanahary. Ny tsunami, rivodoza, horohorontany dia miteraka fahafatesan’olona maro, maratra sy tsy manan-kialofana tsy tambo isaina… ary matetika isika no maheno ny hoe : „Raha misy Andriamanitra, nahoana Izy no mamela izany hitranga ?”

Ny mpaminany Amosa, mpitondra tenin’Andriamanitra, dia niaina tao anaty vanimpotoana nanjakana fitondrantena ratsy be. Niezaka tamin-kery izy hamoha ny fieritreretan’ny mpiray firenena aminy, mba hampitandrina azy ireo, dieny mbola tsy tara loatra. Indimy izy no notarihin’Andriamanitra hanambara hoe : Nasiako tamina fahoriana izatsy na antambo izaroa ianareo, „nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah”. Dia nampiany hoe : „Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao, ry Israely ô” (Amosa 4:12).

Manana fomba maro itenenana amin’ny olona Andriamanitra, indrindra fa ny Baiboly. Na izany aza anefa, ireo loza mitranga ankehitriny dia afaka raisina ho fampitandremana ho an’ny tsirairay, momba ny fitondrantenany ara-toe-panahy sy ny fomba fiainany. Tokony hiambina isika rehetra sy hihaino ireny hafatra ireny, satria mbola andron’ny fahasoavana izao. Andriamanitra dia efa nampiseho amin’izao tontolo izao ny fitiavany, tamin’ny hazofijalian’i Jesosy Kristy, ary mbola fotoana izao hihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny fandraisana ny famelan-keloka atolony ho an’izay mino. Eny, ndao hiomana hihaona amin’Andriamanitra !

Amin’ny maha kristiana antsika, ndao hanararaotra ny fotoana omen’Andriamanitra antsika, mba ho vavolombelon’ny Filazantsara, ho vavolombelona afaka inoana ary manaporofo, amin’ny fiainantsika manolo-tena, fa manan-kery ny hafatr’Andriamanitra ambarantsika.