Alarobia 16 Desambra 2026
Indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy. Apokalypsy 3:8
(Hoy Jesosy :) Izaho no vavahady ; raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy. Jaona 10:9
Ny fampielezana ny Filazantsara dia indraindray avy amina asa maherin’Andriamanitra, Izay mahay manala ny sakana rehetra. Porofon’izany ny fijoroana misionera roa ho vavolombelona :
„Nameno ny fonay ny hitory ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy tany amina fonja iray. Nitebiteby izahay nankany, satria tamina fotoana iray teo aloha dia tsy nahomby ny dingana natao. Ny tanjonay dia ny hampahazo trakitra kristiana ireo voafonja, amin’ny alalana olona mahazo mamangy ao.
Tonga tany izany izahay, vao maraina. Vitsy kely ny olona teo amin’ny fidirana. Tsy te hiverina miaraka amin’ireo antontan-taratasy rehetra nentinay izahay, ka nangataka-dalana tamin’ny mpiambina, hizara fanomezana noho ny taom-baovao. Nahagaga fa nekeny izany, dia nisy niaraka taminay, ka afaka nandalo tsy nisy olana ireo fisavana sy varavarana nihidy izahay.
Nanomboka ny fizarana ireo trakitra. Voafonja maro no nangataka izany, ary tsy ampy ho an’ny rehetra ny nentinay. Dia tonga teo ny lehiben’ny mpiambina ny faritra misy ireo tanora nania, ka nanasa anay hanaraka azy. Tao amina faritra iray mitokana izahay dia nahita tanora 200 mahery, latsaky ny 18 taona. Koa satria tsy ampy ny trakitra nentinay, dia nampanantena ny hiverina izahay. Nisy famangiana indroa taorianan’izany.”
Zava-niainana henjana izany, tsy nampoizina velively. Nahatalanjona. Manokatra varavarana Andriamanitra, ary tsy misy na inona na inona afaka manohitra ny handrenesana ny Filazantsarany any amin’ireo toerana faran’izay mihidy.
Vonona ve isika handray ny tenin’i Jesosy Kristy ? vonona ve hanokatra ny fontsika mba hidirany ?