Talata 15 Desambra 2026

Ny finoana no fatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. Hebreo 11:1

(Noho ny finoana dia) … naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy (Mosesy). Hebreo 11:27

Finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana. 2 Korintiana 5:7

 

Ny fahitan’ny finoana

Ny toko faha-11 ao amin’ny taratasy ho an’ny Hebreo dia milaza mpino maromaro fahiny, izay nanana fiainana voamariky ny finoana an’Andriamanitra sy fatokiana Azy. Nahazo antoka ny amin’ny zavatra nantenainy izy ireo, ary resy lahatra ny amin’izay tsy hitany maso. Nanaporofo izany ny fiainany.

— Noa dia nampandrenesin’Andriamanitra fa antomotra ny fitsarana. Tsy nisy nahalalana fa ho avy izany, afa-tsy ny hoe „efa heni-doza ny tany” (Genesisy 6:13). Tsy nahatakatra izany ny mpiara-belona taminy, tsy natahotra an’Andriamanitra izy ireo. Nefa i Noa dia nino an’Andriamanitra, nankatò izy ary nanamboatra sambo lehibe (ny sambofiara). Noho ny finoany dia voaro tamin’ny safodrano ny ankohonany manontolo.

— Mosesy dia namoaka ny Zanak’Israely avy tamin’ny fanandevozana tany Egypta. Noho ny finoana dia nijoro tsy nihontsona izy, nanoloana ny fahatezeran’ny Farao, satria nahita Ilay Andriamanitra tsy hita maso sy tsitoha.

Noa, Mosesy, anarana maro hafa no voatanisa… Ireo mpino ireo dia nanana zavatra iray nitovizany : ny finoana. Nino izay nolazain’Andriamanitra izy ireo, nihoatra noho izay hitan’ny masony. Ny finoana no nitarika azy ireo hiasa, hiantehitra amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ireo fampanantenany, ka nahafahan’izy ireo „nahita” zavamisy tsy hitan’ny mason’olombelona.

Ry kristiana namana, toy ny an’ireny vavolombelona mahatoky ireny, ny finoana no ahafahantsika mahita zavamisy tsy hita maso. Ankehitriny dia efa tontosan’i Jesosy ny asany, ka hitantsika Izy „voasatroka voninahitra aman-daza”. Ary ampirisihina isika hibanjina an’i „Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy”. Mbola tsy nahita maso an’i Jesosy mihitsy isika, nefa kosa mahita Azy amin’ny finoana, ary tia Azy (Hebreo 2:9 ; 12:2 ; 1 Petera 1:8).