Alatsinainy 14 Desambra 2026
Sambatra ny malahelo am-panahy ; fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Matio 5:3
Morà tahaka ny voromailala. Matio 10:16
Miaro ny kely saina Jehovah. Salamo 116:6
Iza moa ireo „malahelo am-panahy” (ara-bakiteny : „mahantra am-panahy”) lazain’i Jesosy fa sambatra ireo ? Ireo dia izay tsy mihevi-tena ho zavatra. Mahatsiaro tena ho bitika izy ireo, manoloana ny halehiben’Andriamanitra. Manana finoana tsotra izy ireo, matoky tanteraka an’Andriamanitra, toy ny ankizy kely mino izay rehetra lazain’ny ray aman-dreniny. Ankasitrahin’i Jesosy izany fihetsika izany : „Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany, ka nasehonao tamin’ny zaza madinika” (Matio 11:25).
Nefa indrisy fa tsy mino tsotra fotsiny ireo teny lazain’Andriamanitra isika, fa mirona hiady hevitra momba azy ireo, hamorona sain-kafa : „Nataon’Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy” (Mpitoriteny 7:29). Tao an-tsaha Edena, i Eva dia nihaino an’i Satana niteny taminy hoe : „Hanky ! efa nataon’Andriamanitra hoe ?” Naolan’i Satana ny tenin’Andriamanitra, ka nony farany dia nampihodina an’i Eva tamin’ny marina. Toy izany koa, ireo fihevitsika dia mety „ho simba hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy” (2 Korintiana 11:3). Mba haha voaro antsika amin’izany fandrika izany, dia ndao hanaraka ny torohevitry ny Baiboly hoe : „Morà tahaka ny voromailala” (Soratra Masina androany). Aoka ianareo „ho hendry amin’izay tsara… ary tsy hiharo amin’izay ratsy” (Romana 16:19). Taomin’Andriamanitra isika hihevitra ny tsara, hisoroka ny fiharoharoana amin’ny ratsy. Afaka maniry hanana ilay maso tsotra mibanjina zavatra tokana isika, maso tsotra mijery an’i Jesosy : „Raha tsara (na tsotra, tsy mandroroa) ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra” (Matio 6:22).