Alahady 13 Desambra 2026
Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha. Apokalypsy 1:8
Izaho no Alfa sy Omega, ny Voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana. Apokalypsy 22:13
Alfa no litera voalohany amin’ny abidy grika, ary omega no farany. Rehefa milaza Andriamanitra fa Izy no Alfa sy Omega, dia midika izany fa Izy no niandohan’ny tantaran’izao tontolo izao, ary Izy koa no hanapa-kevitra hamarana izany. Niteny Izy, mba hamoronany izao tontolo rehetra izao : „Ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao” (Hebreo 11:3). Ary rehefa hodimbiasin’ny mandrakizay ny fotoana, dia mbola hiteny indray Izy, hoe : „Tanteraka ireo” (Apokalypsy 21:6).
Nisy fiandohany ny zavatra rehetra hita maso. Niseho ireo, rehefa niteny ny Tsitoha. Hifarana ireo, mba hosoloana zavatra mbola tsy haintsika heverina, noho ny toetra maha olombelona antsika : fahariana vaovao, mitoetra mandrakizay, hiseho koa rehefa miteny ny Tsitoha. Eo anelanelan’ny alfa sy ny omega no maka toerana ny korontan’ny tantara lavan’ny olombelona, ireo sentony, fitarainany, ranomaso sy hirany.
Miezaka ny siansa hanazava ny lasa sy hitsinjo ny hoavy. Nefa ny Baiboly ihany no mitondra ny fanazavana ny niaviantsika sy ny hiafarantsika, ny fanazavana izay talohan’ny fiandohana sy izay ho aorianan’ny fiafaran’izao tontolo rehetra misy antsika izao.
„Ny Tenin’ny Tompo maharitra mandrakizay” (1 Petera 1:25). Ndao hamaky izany sy hihaino Ilay nahary antsika sy miresaka ny ho fahatanterahan’ny asany : „Andriamanitra dia … hitoetra eo aminy (eo amin’ny olona) ; ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny” (Apokalypsy 21:3). Ny olon-tsambatra dia ireo izay nino an’i Jesosy Kristy, ka namaly ny fara fanasana ataon’ny Baiboly, hoe : „Ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina” (Apokalypsy 22:17).