Asabotsy 12 Desambra 2026

Toy ny tanimanga eo an-tànan’ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tànako. Jeremia 18:6

Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. 2 Korintiana 5:17

 

Ilay olona ranjanam-be manan-tongotra tanimanga (2)

Tsy manodoka intsony ilay olona ranjanam-be manan-tongotra tanimanga. Tanimanga ny ampahan’ny tongotr’ilay sariolona ; tamin’io tanimanga io no namboarana antsika. „Vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray ianao” (Genesisy 3:19). Io fanambarana io dia mamerina tsara ny olombelona amin’ny tena toetrany sy amin’ny maha izy azy. Nefa io zavaboary avy amin’ny tany io dia nofofonin’Ilay Andriamanitra Mpanefy fofonaina mahavelona, ka nanjary olombelona (and 2:7). Izany vao toeram-pamaharana matotra.

Ny tena fiverenana any an-doharano dia midika ho fiekena fiainana tsy miankina amintsika, fa amin’Ilay Mpahary ny aina. Ny Baiboly no mpanondro tsara indrindra mampahafantatra Ilay tena Andriamanitra sy manameloka ankarihary ireo sampy mamitaka matetika loatra. Ny tantaran’ny olombelona dia feno fihenjanana sy fakampanahy, fahadisoana sy dingam-panarenana. Rafi-piainana tsy miova eo amin’ny taranaka mifandimby izany.

Araka ny Baiboly, ilay tena bokim-piainana, ny olona dia nitady hiala tamin’Andriamanitra, mba hanjary andriamanitra. Ny fironana hahaleo tena sy ny tosika ho amin’ny fifanoherana no mamaly ny filana fahafahana sy hetaheta fahefana. Nefa ny vilany tany tsy afaka mandà ny mpanefy azy. Raha mandà Ilay hany Andriamanitra ny olona, dia ho trotraka. Ny fanasitranana azy dia mitaky fiverenana amin’Andriamanitra : izay miaiky fa diso lalana hatramin’izay, ary mitoky amin’i Jesosy mba hanaisotra azy tamin’izany, dia manana aina vaovao. Jesosy, Ilay Mpamonjy, no manala ny sakana rehetra sy mampifandray azy amin’Andriamanitra. Amin’izany io aina vaovao io no miorina eo amin’ny fanorenana mafy indrindra misy.

(namboarina nahazoan-dalana tamin’ny edisiona CMM)