Zoma 11 Desambra 2026

Amin’ny andro mahafaly dia mifalia ; ary amin’ny andro mahory mieritrereta. Mpitoriteny 7:14

 

Ilay olona ranjanam-be manan-tongotra tanimanga (1)

Nebokadnezara, 2600 taona lasa teo ho eo izay, dia nanjaka tamin’ilay faritra midadasika nantsoina hoe Babylona (Daniela 2:31-35). Nanonofy hafahafa izy : nahita sariolona goavambe nanana loha volamena, tratra sy sandry volafotsy, kibo sy fe varahina, ranjo vy, ary tongotra vy sy tanimanga. Tampotampoka teo dia nisy vato namely ny tongony, dia nirodana ilay sariolona…

Avy amin’izany tantara ao amin’ny Baiboly izany no niavian’ny fiteny hoe : „Ilay olona ranjanam-be manan-tongotra tanimanga”. Izany dia maneho hery tsy hay tohaina raha jerena ivelany, nefa miorina eo amina fototra marefo loatra ka mety hirodana amina fotoana tsy ampoizina. Ilay vato nampianjera ilay olona ranjanam-be dia toa avy amina kisendrasendra, nefa kisendrasendra hafahafa, mahavery hevitra ny olona sy mandrodana ny hambony, ary mitarika ny tsirairay hanetry tena.

Ilay valanaretina namely izao tontolo izao tamin’ny taona 2020 dia sary vaovao manazava io fiteny io. Nikatso tampoka ny zavatra rehetra. Tsimokaretina vaovao iray, bitika nefa mamono, no niely nanerana ny kontinanta dimy, tao anaty herinandro vitsivitsy monja. Olona mihoatra ny 3 lavitrisa no nihiboka tanatin’ny tebiteby, indraindray tanatin’ny fisaonana. Tamin’ny voalohany noheverina ho aretina tsy misy atahorana. Nefa vetivety teo dia nihorohoro ny rehetra ! Vaka ny olona rehetra, nifanehatra ireo filaza, nifanohitra, nitombo ny tsaho, naka toerana ny fisalasalana, nihalehibe ny fiahiahiana. Nandritra izany fotoana izany, nandripaka ilay tsimokaretina. Aoka ho takatsika fa iny valanaretina iny, na zava-doza toy inona aza, dia fampitandremana. Mampiseho amintsika ny fetran’ny hambontsika ho tafavoaka samirery, tsy mila an’Andriamanitra.

(hitohy)