Alakamisy 10 Desambra 2026
Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra. Romana 5:12
(Hoy Jesosy :) Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Jaona 11:25
Iza no afaka hanome valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana ireo ? Nisy niezaka naminavina valiny, nefa inona moa no lanjan’izy ireny ? Ny valiny hany tena marina dia avy amin’Andriamanitra, Ilay Mpahary antsika. Izy irery ihany, amin’ny alalan’ny Baiboly, izay fanambarana avy aminy, no manome antsika, tsy hoe hevitra maro, fa ny marina.
Ny fijaliana sy ny fahafatesana dia vokatry ny hoe efa hatrany am-boalohany ny olombelona no te hiaina tsy misy an’Andriamanitra. Adama, tao an-tsaha Edena, no nanorina io toe-tsaina io, rehefa tsy nankatò ny didin’Ilay Mpahary. Izany no antsoina hoe ny ota. Ny fahafatesana no vokatr’izany, ary nahakasika ny olona rehetra (andinin-tSoratra Masina androany). Ny fangejan’ny ota ny taranaka rehetra nifandimby no niteraka ny fijaliana sy ny fahafatesana.
Izao anefa ny Vaovao Mahafaly : Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia nanokatra ny lalan’ny fiainana mandrakizay, tamin’ny nahafatesany sy ny nitsanganany velona indray. Nanatontosa ny zavatra rehetra Izy, mba hanafaka antsika amin’ny fahafatesana. Ankehitriny Izy dia mbola miteny amin’ny tsirairay hoe : „Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray”.
Eto amin’izao tontolom-pijaliana izao, ny kristiana dia afaka amin’ny tahotra ny fahafatesana. Fantany fa manana fiainana mandrakizay izy (Jaona 3:36). Aminy, ny hoe maty dia mandao fiainana matetika feno zava-tsarotra sy fahoriana, mba hiditra eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra. Ireo mpino dia mahatsapa fahoriana, toy ny hafa, nefa kosa matoky Ilay Mpamonjiny, Izay mahafantatra ny zavatra rehetra. Fantatr’izy ireo fa Andriamanitra dia manatanteraka ny zavatra rehetra, araka izay nokendreny ho azy ireo (Salamo 57:3), satria tia azy ireo. Mandalo izy ireo eto amin’ity tany ity, mizotra ho amina mandrakizay feno hasambarana. Manova ny zavatra rehetra izany !