Alarobia 9 Desambra 2026

Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay ? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Jaona 6:68

Amin’ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin’ny fanginana sy ny fatokiana no hisian’ny herinareo. Isaia 30:15

 

Jesosy, Ilay fahazavana

Nikatsaka „hery ambony” i Kristi, ary hentitra dia hentitra nitsara an-tendrony ny fivavahana kristiana. Noheveriny ho mety lavitra kokoa ny bodisma. Hoy izy nitantara : „Nandalo fahatanorana nikorontana aho, tsy nino an’Andriamanitra, ary niady tamin’ny fikorontanana ara-tsakafo, ny harerahan-tsaina, ary ny zava-mahadomelina. Tamin’ny faha-21 taonako aho dia niankin-doha tanteraka tamin’ny heroinina (karazan-drongony mahery)”. Dia voatery izy nitsabo tena tany amina toby fanalana amin’ny fidorohana. Ary rehefa nandany efa-taona nanao fandinihana bodista izy, dia tonga tamin’ny fehinkevitra mangidy hoe : „Nanao fandinihana aho nandritra izay fotoana rehetra izay, nefa tsy nahatsapa fotoana kely akory nananana fiadanam-po”. Nihevitra àry i Kristi fa hameno ny habangana anatiny ny fandehanana lavitra, ka lasa nankany Chine. Tany izy dia nifanena tamina vehivavy misionera kristiana iray, niresaka taminy momba an’i Jesosy, Izay maty mba hiatrika ireo tsy rariny rehetra, ireo fahavoazana lalina, ary ireo fahoriana eto amin’izao tontolo izao. „Fampiarahana lavorary fahamarinan’Andriamanitra sy famindrampony izany, hoy i Kristi, niaiky. Sambany mba hitako ho mitombina”.

Nanomboka namaky ny Filazantsara nosoratan’i Jaona izy, ary niresaka tamin’i Jesosy. „Mba henoy aho, ry Jesosy : tsy mino Anao aho, nefa raha toa ka misy Ianao, dia mba manehoa ny tenanao amiko anie”. Dia namaly ny vavaka nataony Jesosy : „Tamin’izay fotoana izay Andriamanitra no niseho tamiko ho Ilay Andriamanitra fitiavana. Zava-dalina niainako izany. Nanenika ahy tanteraka ny fanatrehany sy ny fitiavany. Toy ny hoe niova fiainana aho. Tena nahafinaritra tanteraka izany”.

Telopolo taona mahery lasa izay no nitrangan’izany rehetra izany. Nanomboka tamin’izay i Kristi dia nanana fiadanam-po, nahatsiaro ho afaka ao amin’ny Kristy, ary faly tao aminy.