Talata 8 Desambra 2026
Aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’Andriamanitra ireny, na tsia. 1 Jaona 4:1
Ny kristiana dia manana ny Fanahy Masina, Izay mameno ny sainy amin’izay momba an’i Jesosy Kristy. Nefa raha tsy malina izy, dia mety hanaiky hotaomina fampianaran-diso avy amin’ilay fahavalontsika —i Satana-, ilay manohitra mandrakariva an’Andriamanitra. Ny Baiboly dia mampitandrina antsika tsy hino, tsy am-pieritreretana akory, izay rehetra lazaina manodidina antsika. Ndao hanamarina izay rentsika sy vakintsika, mba hahafantatra raha avy amin’Andriamanitra izany na avy amin’ny fahavalo. Ny apostoly Jaona dia manolotra antsika lahatsoratra roa „fanalahidy” (1 Jaona 4:1-6).
— „Ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesosy [Jesosy Kristy efa tonga tamin’ny nofo] dia tsy mba avy amin’Andriamanitra”. Izay mandà ny maha Andriamanitra mandrakizay ny Tompo Jesosy, sy ny maha tena olona tsy manana ota Azy, dia tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo i Kristy. Koa ndao hitandrina tsara. Misy miteny amiko ve hoe zavaboary ambony Jesosy, nefa tsy Andriamanitra mihitsy ? Ny toko voalohany amin’ny Filazantsara araka an’i Jaona dia mampiseho amintsika fa diso izany ! Raha ambara ahy hoe tsy olona Izy, dia mbola diso koa izany. Kristy tenany mihitsy no niteny hoe : „Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona ?” (Matio 16:13). Jesosy Kristy, Izay Andriamanitra tanteraka, dia olona tanteraka ihany koa ! Ndao hihodina tsy hijery akory ireo izay mandà izany zava-miafina mahatalanjona izany.
— „Avy amin’Andriamanitra izahay (izahay apostoly) ; izay mahalala an’Andriamanitra no mihaino anay ; izay tsy avy amin’Andriamanitra, tsy mba mihaino anay”. Izay mitsikera na misalasala ny amin’ny fampianaran’ny apostoly, voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia tsy avy amin’Andriamanitra, tsy avy amin’Andriamanitra ny fampianarany. Aza mihaino azy isika, ary aza miady hevitra aminy akory aza.