Alatsinainy 7 Desambra 2026
Tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana ; fa aoka hisaotra kosa. 1 Petera 3:9
Raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Matio 18:15
Ny atao hoe taratasy mivelatra dia lahatsoratra, izay matetika mirona hevitra, ary miantefa manokana amin’olona iray na maromaro, nefa iniana aseho ny besinimaro mba hovakina antokon’olona maro kokoa. Ny tanjona dia mazava ho azy fa ny hampisy valiny.
Misy ohatra taratasy mivelatra ao amin’ny Baiboly : „Nirahin’i Sanbala fanindiminy ny zatovony hankeo amiko… nitondra taratasy nivelatra teny an-tànany” (Nehemia 6:5). Io taratasy io dia nosoratana fahavalo, izay matetika kisarisarin’ny mpanohitra ny kristiana, amin’izao fotoana izao. Tsy tian’i Sanbala hamboarina indray ny mandan’i Jerosalema ; noho izany dia nanoratra taratasy feno teny tsy loa-body sy fanambarana lainga izy, mba ho kivy ny vahoakan’Andriamanitra, ka tsy hamboatra ny manda. Niharihary fa ratsy ny fikasany.
Angamba ianao miaina zava-tsarotra avy amina kristiana ao amin’ny fiangonanao, ary halaim-panahy hanoratra taratasy mivelatra ho afaka vakin’olona maro. Izany ve no vahaolana ? na dia tsy ratsy aza ny fikasanao. Raha zohina dia hitera-pahavoazana izany, mety handrehitra afo sarotra vonoina.
Koa ahoana àry no tokony ho fihetsika kristiana ? Ny ohatra, dia Jesosy, Izay „raha notevatevaina… dia tsy mba nanevateva ; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina” (1 Petera 2:23). Ndao hihaino izay lazain’ny Tompo ao amin’ny Filazantsara (Matio 5:23-24 ; 18:15) : ndao hankany amin’ny rahalahintsika, hiresaka aminy ; dingana tsotra sy manetry tena, ao anaty toe-tsaina feno fitiavana, no handamina zava-tsarotra maro.