Alahady 6 Desambra 2026

Aza mamono ny Fanahy. Aza manao tsinontsinona ny faminaniana. Fantaro ny zavatra rehetra ; hazòny mafy izay tsara. Fadio ny fanao ratsy rehetra. 1 Tesaloniana 5:19-22

(Hoy Jesosy :) Ny Fanahin’ny fahamarinana… Izy hankalaza Ahy ; fa handray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo. Jaona 16:13-14

 

Avelao hiasa ny Fanahy Masina

Tsara vakina : Asan’ny Apostoly 2:1-4 ; 1 Tesaloniana 5:11-22

Tamin’ny Andro Pentekosta dia nirahina ho etỳ an-tany ny Fanahy Masina. Nanomboka hatreo Izy dia monina ao anatin’ny mpino tsirairay sy ao amin’ny Fiangonana. Ny asany dia ny hampiharihary ny halehiben’ny Tompo Jesosy.

Indrisy anefa, fa mety hanakantsakana na hamono ny asany isika, matoa voasoratra ny hoe : „Aza mamono ny Fanahy”. Ireo andininy mialoha io fandrarana io dia milaza fa ilaina sy mahasoa ny fifandraisana eo amin’ny samy mpino : ireo fifandraisana ireo dia ahafahantsika ho voaomana mialoha amin’ny loza, handray fampandrenesana momba ireo fahadisoana, hahazo fampiononana amin’ny fahoriana sy fampaherezana rehefa miha sarotra ny zavatra rehetra. Tsy mora mandrakariva tsy akory ireo fifandraisana ireo, nefa hoy ny apostoly Paoly : „Miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ny namanareo na amin’ny olona rehetra… Hazòny mafy izay tsara” (1 Tesaloniana 5:15, 21).

Inona no hatao mba hohazavain’ny Fanahy Masina, na mba tsy hamono ny asany ? Ny Fanahy dia manazava antsika amin’ny alalan’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fivavahana. Nefa koa mety ho mpino hafa no hampita amintsika ny fampianaran’ny Fanahy, Izay mahatonga ny tsirairay hahay hampita ihany koa, avy amin’Andriamanitra, teny tsara mahasoa ny hafa. Ndao àry hikatsaka izay hahafahan’ny Fanahy miasa : ny fampiantranoana, ireo fifaneraseran’ny mpirahalahy, ireo fivoriana kristiana… Raha tsy liana manao izany isika, dia mety hahakivy ny mpino hafa. Mety hamono ny Fanahy koa na fitsikerana, na fitarainana, na tsy firaharahana izay omen’Andriamanitra amin’ny alalana rahalahy izatsy na izaroa, mandritra ireny fivoriana ireny. Ndao hifampahery mba hiasan’ny Fanahy am-pahalalahana, ho tombontsoan’ny rehetra.