Asabotsy 5 Desambra 2026
Ianao, Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ; fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy naha ary azy. Apokalypsy 4:11
Ny hafatra ampitain’ny andininy voalohany ao amin’ny Baiboly dia tsotra : Andriamanitra no nahary ny zavatra rehetra. Io fehezanteny tokana io dia manafoana avy hatrany ireo filôzôfia manohitra an’Andriamanitra :
— Ny athéisme dia milaza fa tsy misy Andriamanitra : ny raha —na zaka-, ny fotoana, ary ny kisendrasendra, hono, no niandohan’ny zavatra rehetra misy. Nefa ny Genesisy 1:1 dia manambara ny fisian’Ilay Andriamanitra Mpahary sy ny sitrapony.
— Ny panthéisme dia milaza fa andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra (ireo hazo, ireo renirano, ireo kintana…), izany hoe manao ny voary ho andriamanitra. Nefa ny Genesisy 1:1 dia manambara fa talohan’ny voary Andriamanitra, sady tsy mba anisany.
— Ny polythéisme dia mampianatra fa misy andriamanitra maro. Ny ankamaroan’ny vahoaka tranainy dia nino andriamanitra maro, ary mbola mitohy izany finoana izany, any amina firenena maro, amin’izao vanimpotoana iainantsika izao. Nefa ny Genesisy 1:1 dia manambara fa Ilay Andriamanitra tokana no nahary ny zavatra rehetra.
— Ny matérialisme dia mamonto ny fomba fisainana ankehitriny, ary mampianatra fa ny zava-mitranga rehetra dia avy amina fifampihetsehana zavatra hita maso sy hay tsapain-tanana. Nefa ny Genesisy 1:1 dia milaza fa Andriamanitra no nahary ny raha —na zaka-, izay tsy maharitra mandrakizay.
— Ny dualisme religieux dia mampianatra ny fisiana fotokevitra roa tsy afaka mikambana ary mitoetra mandrakizay (ny tsara sy ny ratsy), ka ny fifamalian’ny asan’ireo fotokevitra ireo, hono, no loharano nipoiran’ny zavatra rehetra. Nefa ny Genesisy 1:1 dia mametraka fa hery tokana faratampony, dia Andriamanitra, no nahary izao rehetra hitantsika izao.
— Ny humanisme dia mampianatra fa tsy misy na inona na inona ambony kokoa noho ny olombelona, izay soatoavina fototra ivon’ny zavatra rehetra, hono. Nefa ny Genesisy 1:1 dia mamerina ny zavatra amin’ny toerany : Andriamanitra dia efa nisy talohan’ny olombelona, ary Izy no nahary azy.
Ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, no fahamarinana (Jaona 17:17). Ndao hamaky azy sy hino izay lazain’Andriamanitra.
(tapitra)