Zoma 4 Desambra 2026
Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Genesisy 1:1
Ary Andriamanitra nahary ny biby vaventy anaty rano sy ny zavamanana aina mihetsiketsika rehetra. Genesisy 1:21
Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny. Genesisy 1:27
Amin’ny teny hebreo, ny andinin-tSoratra Masina voalohany ao amin’ny Baiboly dia misy teny fito :
1- „berè’schit” (matetika adika hoe : „tamin’ny voalohany”) : izany dia ny fiandohan’ny zavatra rehetra misy sy izao tontolo rehetra izao, ary ao anatin’io tontolo io ny tany onenantsika. Angamba fiandohan’ny fotoana ihany koa, fiandohana tsy nisy „talohany”, afa-tsy Andriamanitra —mazava ho azy-, Izay ivelan’ny fotoana rahateo.
2- „bara” (nahary) : ao amin’ny Baiboly, io matoanteny io dia tsy manana lazaina afa-tsy Andriamanitra. Andriamanitra irery no namorona, nanao zava-baovao tanteraka, avy tamin’ny tsy misy. Eto Izy dia nahary (naha ary, naha misy) ny lanitra sy ny tany ; taoriana kely dia nahary ny biby, ary tamin’ny farany ny olona, tahaka ny endriny.
3- „Elohïm” (Andriamanitra) : io teny io dia hita in-3000 eo ho eo ao amin’ny Baiboly, amin’io endrika io, ary milaza maro, nefa ampifandrindrana amin’ny teny eo aloha hoe „bara’”, izay milaza tokana. Io teny io izany dia milaza Ilay hany Andriamanitra, Ilay Andriamanitra tokana, Ilay ambony indrindra, mandrakizay, Izay asehon’ny Testamenta Vaovao amina Olona telo : ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina.
4- „’èth” : io teny io, izay tsy hay adika, dia milaza fa teny fameno mivantana no manaraka azy.
5- „hàsschamaïm” (ny lanitra) : io teny io dia miresaka ny lanitra hita maso avy etỳ an-tany. Milaza maro izy, ka mahatonga hihevitra ireo vahindanitra maro mifanosona. Ny tohin’ny toko dia miresaka ny lanitra misy habakabaka „mampisaraka ny rano amin’ny rano” (and. 6) sy ny lanitra misy „ny fanazavana roa lehibe” (and. 16), nefa eto dia ny lanitra amin’ny ankapobeny angamba no resahina.
6- „we’èth” : mitovy hevitra amin’ny teny faha-4, ary ialohavan’ny „ary”.
7- „hà’aréts” (ny tany) : io teny io dia milaza ny sehatra honenan’ny olombelona ; nefa „ny lanitra sy ny tany” miaraka dia mampahatsiaro izao tontolo rehetra izao.
(hitohy)