Alakamisy 3 Desambra 2026
Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô… Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. Salamo 51:1-2
Efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika. 1 Korintiana 6:11
„Nandritra ny valanaretina Covid-19 dia naverimberina tamintsika ny hoe : „Misasà tanana”. Hoy aho anakampo : Fa dia maloto loatra angaha aho ? no tsy maintsy hisasa tanana matetika toy izany. Niverina nieritreritra ny fotoana voalohany nidirako tao amina efitrano nitoriana ny Filazantsara aho. Tena naloto aho tamin’izany, naloto noho ny asa ratsy rehetra nataoko teo amin’ny fiainako. Tamin’io andro sambany nandrenesako ny Filazantsara io aho dia nahatakatra fa nilaina sasana ny ato anatiko, ary ny ran’i Jesosy Kristy ihany no afaka nanadio ahy amin’ireo tsy fankatoavako maro an’Andriamanitra. Nisy fiovana lehibe nitranga tato anatiko, rehefa nanatona an’io Kristy voahombo teo amin’ny hazofijaliana io aho, niaiky ny fiainako feno fahotana, fiainana lavitra Azy ! Nodioviny tanteraka sy ho mandrakizay ny fanahiko : satria „ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:7).”
Ny Baiboly dia manoro antsika ny lalana mankany an-danitra. Tsy afaka miditra any, na fahotana, na inona na inona zavatra maloto. Ny fanadiovana izay olona mino an’i Jesosy Kristy, natao sorona mba ho azy, dia lavorary sady ampy tanteraka, satria miorina amin’ny herin’ny ran’i Jesosy. Dia mihatra amin’io olona io ny teny faharoa etsy ambony nosoratan’ny apostoly Paoly.
Na izany aza anefa, eo amin’ny fiainany isanandro, ny mpino dia mahatsapa fa maro ny zavatra mandoto azy eto amin’ity tontolo ity. Tsy miantraika amin’ny famonjena mandrakizay efa azony tsy akory izany, saingy manapaka ny fiombonany amin’Andriamanitra. Koa tsy maintsy mamela ny Tompo „hanasa” azy amin’ny Teniny io mpino io : rehefa mamaky ny Baiboly izy, dia mahita izay tokony hahitsy na hilaozana, eo amin’ny fiainany, mba hampiverina indray ny fifandraisana mahatretrika amin’Ilay Rainy any an-danitra.