Alarobia 2 Desambra 2026

Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana ; dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao. Salamo 50:15

Raha tsy mbola miantso aza izy, dia hamaly Aho ; ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho. Isaia 65:24

 

Fanampiana tsy nampoizina

Feno tebiteby i Anne io hariva io. Monina ao anatina trano tarihina izy. Tsy maintsy nandeha ny vadiny sy ilay zanany lahy, ary nisy orambaratra nananontanona. Nampitombo ny tebitebiny ny eritreritra hoe ho irery mandritra io alina io. Vao haingana dia nisy olona hita nihaodihaody teo amin’ny manodidina. Koa nandohalika i Anne, ary nangataka an’Andriamanitra mba hiaro azy. Vantany vao tapitra ny vavaka nataony dia nahare alika nivovò tany ivelany izy. Novohainy ny varavarana, ka avy hatrany dia niditra haingana ny alika-na mpiara-monina aminy, rakotra ranomandry. Namantana teny amin’ny fatana famanana izy, dia nandry, ary nijery an’i Anne, toy ny miteny aminy hoe : „Aza matahotra, fa miambina aho”. Feno fankasitrahana an’Andriamanitra i Anne no nandry, ary natory tam-pilaminana.

Ny ampitso maraina dia nampahafantarin’ireto mpiara-monina i Anne, hoe an-taonany maro ilay alikany, rehefa alina, no tsy nandao ny tranony mihitsy. Omaly hariva anefa dia tsy nety nijanona tao izy. Niezaka izy ireo, nandritra ny adiny roa, nitazona sy nampitony azy, nefa tsy nahomby, sasa-poana, ka namela azy handeha. Nihazakazaka tsy niato ilay biby, nankeny amin’ny fonenan’i Anne.

Andriamanitra, Ilay Mpahary antsika, dia afaka mampiasa biby, mba hamaliany ny vavaky ny olony. Fantany mialoha izay ilaintsika. Ny valiny homeny ny vavaka ataontsika dia efa vonona, mialoha ny hanononantsika izany. Ilay alika ve tsy efa nihotakotaka hatrany, nandritra ny adiny roa talohan’ny vavak’i Anne ? Tonga indrindra tamin’ny fotoana tandrify tsara ilay fanampian’Andriamanitra !

Ndao vakina ny Hebreo 4:16, hoe : „Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana, ho famonjena amin’izay andro mahory”.