Talata 1 Desambra 2026

Isaorana anie Andriamanitra, Izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindrampony tamiko. Salamo 66:20

Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka. Asan’ny Apostoly 1:14

 

Mivavaka

Taominao izahay hivavaka, Hihataka fotoana fohy amin’izao tontolo izao ; Eo akaikin’ny fonao, ry Rainay, No misokatra ny fon’ireto zanakao. Satria ny Zanakao mihitsy no niteny taminay Hoe te hihaino anay mandrakariva Ianao. Na kely na lehibe ireo rehetra olanay, Dia azonay entina eo aminao !

 

Nefa toy ireo mpianatra fahiny, Izay nivavaka ho an’i Petera, izay tany an-tranomaizina, Dia matetika kely ny finoanay : Sady mangataka izahay no misalasala ! Ampianaro izahay hatoky Anao, Mba hiandry isanandro isanandro, Tsy misy fahadisoam-panantenana na tsy faharetana, Ny valiny homen’ny fitiavanao.

 

Ary raha noho ny tsy fanananay fahendrena, Ka tena tsy hainay ny mangataka tsara, Dia ny Fanahy Masina, araka ny fampanantenanao, No hahay hangataka ho anay. Koa dia atrakanay ny lohanay, Miandry mba hahita ny hahatanterahan’ Ny sitraponao tsara sy lavorary, Dia ny hitahy anay mandrakariva.
Antsa sy Fiderana lah. 294 — edisiona 2022