Alatsinainy 30 Novambra 2026
Ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy. Romana 10:17
Tao anaty sambokely teny ambony ranomasin’i Galilia ny mpianatr’i Jesosy, tamin’ny mamatonalina, ary nahatazana soritsoritr’olona teny lavitra teny. Natahotra aloha izy ireo, nihevitra ho nahita matoatoa. Avy eo Jesosy dia niteny tamin’izy ireo, ka takany fa Izy no nandehandeha teny ambony rano, nanatona azy ireo. Dia niteny taminy i Petera, izay taitaitra lalandava, hoe : „Tompoko, raha Ianao ihany, dia asaivo manatona Anao eny ambonin’ny rano aho”. Namaly Jesosy hoe : „Manatòna” (Matio 14:28-29). Tao anatin’io toejavatra io Jesosy dia nanana hafatra manokana ho an’i Petera, izay nasainy nanatona Azy, nandeha teny ambony rano koa.
Amin’ny alalan’ny Baiboly, Andriamanitra dia manome teny fahamarinana sy fitiavana ho an’ny olombelona, ary taomina handray izany avokoa ny rehetra. Nefa misy koa eo amin’ny fiainantsika, fotoana mety handraisantsika teny manokana avy amin’Andriamanitra, ary izany dia mampitombo ny finoantsika, mampitombo ny fatokiantsika an’Andriamanitra. Izany teny izany no ren’i Petera, ka sahy izy, noho ny finoany, niala tao an-tsambokely mba hanatona an’i Jesosy.
Eo amin’ireo toejavatra lalovantsika eo amin’ny fiainana, izay sarotra indraindray, Andriamanitra dia te hanome antsika teny manokana : amin’ny alalana teny ao amin’ny Baiboly, namana mpino, zava-mitranga eo amin’ny fiainantsika. Ndao hahay hihaino ireny, mba hampahatanjaka ny finoantsika sy hahatonga ny fiainantsika hanome voninahitra kokoa ny Tompo Jesosy.