Alahady 29 Novambra 2026

Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy)… Hoy Jesosy taminy : Izaho Izay miresaka aminao no Izy. Jaona 4:25-26

Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo. Lioka 24:46

 

Inona no hevitry ny teny hoe Kristy ?

Io teny io dia avy amin’ny teny grika Christos, izay midika hoe „voahosotra”. Ny dikan’ny hoe ny Kristy, na ny Mesia (avy amin’ny teny hebreo), dia hoe „voahosotr’Andriamanitra”, nofidiny. Nandrarahana diloilo teo ambony lohan’ireo mpanjaka na ireo mpisorona ambony. Nandritra ny taonjato nifandimby, araka ny faminaniana nambara, ny Israelita mpino dia niandry ny hiavian’ny Mesia, Ilay Mpanjaka nofidin’Andriamanitra mba hanafaka azy ireo amin’ny fahavalony.

Ny hoe Jesosy dia midika hoe „Mpamonjy”. Jesosy Kristy no Ilay Mpamonjy, Ilay Mpanjaka voafidy sy voahosotr’Andriamanitra. Fony vao teraka Izy, dia nanontany ireo magy avy tany atsinanana hoe : „Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy ?” (Matio 2:2). Ny soratra napetraka teo ambony hazofijaliana dia nilaza hoe : „JESOSY AVY ANY NAZARETA, ILAY MPANJAKAN’NY JIOSY” (Jaona 19:19).

Takatsika ny figagan’ilay vehivavy Samaritana, nanambaran’i Jesosy fa Izy no Ilay Mesia (Jaona 4). Lasa izy nanambara io Vaovao mahafaly io tamin’ny mponina tao an-tanànany.

Ilay Kristy ambaran’ny Filazantsara dia tena Ilay tokony hanjaka tokoa, Ilay Mpanjaka voafidy sy voahosotr’Andriamanitra. „Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona”, hoy i Petera. Nefa Jesosy, Ilay Mesia, alohan’ny hanafahany ny olony sy hametrahany ny fanjakany ho avy eto an-tany, dia nandravona ny resaka momba ny ota ao anatin’ny olombelona, nizaka teo amin’ny hazofijaliana ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny ota. Ilay ho Mpanjakan’ny mpanjaka dia Kristy nijaly teo amin’ny hazofijaliana. „Naingainao aho” (satria Mpanjaka), „kanefa natontanao indray” (nataonao ota), hoy ny Salamo 102:11.

Mba takatry ny saintsika ve ny hamafin’ny fijaliana niaretan’ny Mpamonjitsika ? mba hahatonga antsika mpino hiara-manjaka aminy.