Asabotsy 28 Novambra 2026
Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra. 1 Jaona 1:9
Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, mba hatahorana Anao. Salamo 130:4
Ny Levitikosy toko faha-13 dia toa saro-takarina, ho an’ny kristiana ankehitriny. Ny resahiny dia zava-nitranga tamina lehilahy tratran’ny habokana, izay aretin-koditra mifindra, tsy hay nositranina fahiny. Raha nisy ratra nampiahiahy nipoitra, dia tsy maintsy nozahana tsara izany, indraindray imbetsaka, hamantarana mazava ilay aretina. Tsy tokony nambara ho habokana izay tsy izany akory.
Inona no ambara antsika momba ny habokana ? Io dia kisarisarina ota leferina, izay mandoto sy mikiky. Koa izao no lafiny voalohany ampianarin’io toko io : isika dia mety hanjary „boka”, raha afaka lazaina toy izany, rehefa mandefitra, eo amin’ny fiainantsika, amina zavatra melohin’ny Baiboly mazava tsara. Lafiny faharoa : tsy maintsy malina isika, mba tsy ho maika hitsara izay mety hiseho etỳ ivelany ho fahadisoana, nefa tsy izany akory.
Hahakivy izany rehetra izany, raha toa ny toko faha-13 tsy narahin’ny toko faha-14, izay milaza amin’ny an-tsipiriany fombafombam-pidiovana. Tsy mendrika homarihina ve hoe Andriamanitra efa nihevitra fanasitranana ? na dia tamin’ny vanimpotoanan’ny Testamenta Taloha aza, izay mbola tsy hay nositranina ny habokana. Mampianatra antsika izany fa afaka atao lalandava ny miverina amin’Andriamanitra. Mety ho latsaka ao anaty fahotana tena ratsy aho, nefa mbola afaka mandrakariva miverina aminy, miaiky aminy izay nataoko, tsy manamaivana izany sy amin-tahotra, ary mangataka mba hampiany. Momba ireo fahadisoantsika, „izay mitsotra ka mahafoy azy (mahafoy ny fahotany) no hahazo famindrampo” (Ohabolana 28:13).