Zoma 27 Novambra 2026
Ny zanakao … mandeha amin’ny fahamarinana araka ny nandraisantsika didy tamin’ny Ray. 2 Jaona 4
Fa izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana. 1 Tesaloniana 4:3
Ao amin’ireo andinin-tSoratra Masina androany dia angatahin’Andriamanitra ny kristiana mba hiaina ao anatin’ny fahamarinana sy ny fahamasinana.
Aiza no hahitana ny fahamarinana ? „Ao amin’i Jesosy” (Efesiana 4:21) sy ao amin’ny Baiboly (Jaona 17:17). Isika ve manaiky fa tsindrimandry avy amin’Andriamanitra ny Baiboly manontolo (2 Timoty 3:16), ary vonona hankatò ny fampianarany ? maniry tsy hanjary andevon’ny didin’ny olona, fa hijery an’i Kristy (Kolosiana 2:20 hatramin’ny 3:4) ? te hanatanteraka ny fiainam-piangonana iombonana ? araka ireo torolalan’ny Tenin’Andriamanitra (1 Korintiana 14:37).
Ny fankatoavana ny fahamarinana ambaran’ny Tenin’Andriamanitra dia mitarika antsika hiaina amin’ny fahamasinana, hisaraka amin’ny ratsy : „Araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin’ny fitondrantena rehetra” (1 Petera 1:15). Io fiainana „masina” io dia ny fikatsahana ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fandavana tsy hanao na inona na inona tsy ankasitrahiny, ohatra eo amin’ny lafiny firaisana ara-nofo (Soratra Masina faharoa androany).
Koa ny fiainantsika ve izany dia ho feno alahelo sy teritery, tsy misy afa-tsy fandrarana ? „Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny” (1 Jaona 5:3). Ny tsiambaratelona fiainana ankasitrahin’Andriamanitra dia ny tsy hiantehitra amin’ny herintsika mba hiezahana hanaraka ireo torolalan’ny Baiboly, fa hitsahatra eo amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Ary koa hanaiky hofenoin’ny fitiavan’Andriamanitra ; avy eo, hankatò am-pifaliana ny sitrapon’Andriamanitra, ho fankasitrahana an’i Jesosy, Izay nitia antsika fatratra, sy noho ny herin’ny Fanahy Masina.
(tapitra)