Alakamisy 26 Novambra 2026

(Hoy Jesosy :) Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. Marka 1:15

(Hoy i Petera :) Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo. Asan’ny Apostoly 3:19

 

Inona no atao hoe mibebaka ?

Ny teny hoe „fibebahana” dia tsy mba ankafizina. Ampifandraisina amina hevitra ratsy izy io, ka entina milaza fanenenana, fivalozana, izay hametraka antsika ao anaty toe-tsaina manambany ny tenantsika. Ary izany tokoa no zavamisy, mandra-pahatakatsika ny atao hoe fahasoavan’Andriamanitra.

Ny Baiboly anefa dia mampiseho ny fibebahana ho zavatra tena ilain’ny olona mpanota. Miresaka izany Jesosy ao amin’ireo toriteniny ; ary tany am-piandohan’ny fivavahana kristiana, ny apostoly Petera dia niantso ny vahoaka mba hibebaka (Soratra Masina androany). Ny fahamoram-panahin’Andriamanitra no mitaona antsika hibebaka (Romana 2:4), satria tsy tian’Andriamanitra „hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra” (2 Petera 3:9).

Nahoana moa ny Tenin’Andriamanitra no manitrikitrika mafy hoe tokony hibebaka ? Ny fibebahana dia midika hoe „fiovam-pisainana”. Ny fibebahana dia lasa lavitra kokoa noho ny nenina, lavitra kokoa noho ny fanenenana tsotra satria nanao asa ratsy. Ary satria apetraka eo ambany fahazavan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny ny fieritreretana, dia mitovy amin’ny fitsara sy fijerin’Andriamanitra ny fitsara sy fijerintsika ny toetra maha mpanota antsika sy ireo fahadisoantsika. Ny finoana ny Filazantsara, ilay Vaovao mahafaly milaza ny famonjena ao amin’i Jesosy Kristy, no mitarika antsika hibebaka. Ny avalin’Andriamanitra io fibebahana io dia ny fahasoavana, izay mamela heloka, sy ny fahazoana antoka ny amin’ny fiainana mandrakizay !

Izany toe-tsaina ateraky ny finoana izany, sy io fisainana miova tanteraka io, dia misy akony eo amin’ny fiainantsika andavanandro : asa atao, „voa mendrika ny fibebahana” (Lioka 3:8). Ireo antony mandrisika, ireo fihetsika andavanandro, ireo tanjona kendrena dia samy mitodika amin’ny Tompo Jesosy avokoa, mba „hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra” (Kolosiana 1:10).