Alarobia 25 Novambra 2026

Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota ; fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany. Ohabolana 29:16

Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany ; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay. 1 Jaona 2:17

 

Aza manaraka ny maro !

Bertrand Russel (1872-1970), filôzôfa britanika nahazo ny loka Nobel-n’ny literatiora, dia mitatitra ao amin’ny tantaram-piainany, hoe nomen’ny renibeny Baiboly. Ny andinin-tSoratra Masina nosoratan’io renibeny io tao amin’ny pejy voalohany dia ny hoe : „Aza manaraka ny maro, hanao ratsy” (Eksodosy 23:2). Tatỳ aoriana, ny fahatsiarovana io Teny io dia niaro azy tsy hatahotra ny ho anisana „vitsy an’isa”.

Mbola manan-kery mandraka ankehitriny io torohevitry ny Tenin’Andriamanitra io. Isika dia miaina ao anaty vanimpotoana iheveran’olona maro hoe „Ny maro an’isa no manana ny marina”. Nefa ve tsy fahadisoana mampidi-doza izany ? Matetika ny hevitry ny olona amin’ny ankapobeny dia tsy mifototra velively amin’ny zavamisy, fa miankina tanteraka amin’ny fihetsehampo, na amin’ny fitiavantena mihitsy aza. Ahoana no tsy ho gaga ? raha manjary atao tsinontsinona ny fahamarinana sy ny fitsipi-pitondrantena. Raha tsy mitady an’Andriamanitra sy ny sitrapony ny olona, fa mandrefy ny tsara sy ny ratsy araka izay tiany sy izay ho tombontsoany manokana, dia tsy maintsy ho tonga ny „fahalavoana” resahin’ny tenin’ny Baiboly androany.

Na izany aza anefa, dia tsy ampy koa ny hoe anisan’ny vitsy an’isa, satria mety ho diso hevitra ihany koa ireo vitsy an’isa. Rehefa mitodika manokana amin’Andriamanitra sy mikatsaka ny sitrapony mba hanao izany, dia voatarika hahita ireo izay manana ihany koa, eto an-tany, io tanjona io sy io fanantenana io. Io sitrapon’Andriamanitra io —izay tiany hataoko sy andrasany hataoko- dia ambara ao amin’ny Baiboly. Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra tonga teto anivon’ny olombelona, dia niaina tanteraka araka ny sitrapon’Andriamanitra. Iza àry no harahina ? Jesosy, tonga hamonjy sy „hanangona ny zanak’Andriamanitra, izay efa niely, ho antoko iray” (Jaona 11:52).