Talata 24 Novambra 2026

Izay midina any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo … no mahita ny asan’i Jehovah… Dia nitaraina tamin’i Jehovah ireo, raha ory, ka nampiala azy tamin’ny fahatereny Izy… Aoka hidera an’i Jehovah ireo, noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona ! Salamo 107:23, 24, 28, 31

 

Mahare Andriamanitra

Ny 26 novambra 1892 dia niharam-pahavoazana ilàna vonjy teny amin’ny ranomasimbe Atlantika ilay sambo mandeha amin’ny etona antsoina hoe „Spree”. Nisy singa vy lehibe iray tapaka, ka nandavaka ny vatan-tsambo. Tany an’arivo kilaometatry ny morontsiraka ilay sambo tamin’izay, ary nihataka kokoa hatrany tamin’ny lalany. Anisan’ireo mpandeha 700 tao amin’ilay sambo ny evanjelista D.L. Moody.

Voatampin’ireo tantsambo ihany ilay lavaka, nefa mbola lehibe hatrany ny loza nandrahona. Mba hisorohana ny hitakitaka, dia niandry hatramin’ny ampitso hariva i Moody vao nangataka tamin’ny kapiteny fahazoan-dalana hanao fotoam-bavaka. Nanatrika izany avokoa ny mpandeha rehetra, ary maro tamin’izy ireo no nivavaka. Novakin’i Moody ny Salamo 91 hoe : „Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha”. Novakiny koa ny andinin-tSoratra Masina momba ny tebiteby nahazo ireo tantsambo, izay niantso vonjy tamin’ny Tompo, mba hampitsaharany ny „onjandrano” ary hitondrany azy ireo „ho amin’ny fitodiana niriny” (Salamo 107:23-32). „Mitovy tanteraka amin’ny toejavatra manjo antsika izany”, hoy ny vehivavy mpandeha iray, ary tia namerina namaky ireo teny ireo tao amin’ny Baibolin’i Moody izy.

Namaly vavaka Andriamanitra, tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any : nahita ireo mari-pahavoazana ilàna vonjy nalefan’ny „Spree” ny sambo „Lake Huron”, ka nitarika azy. Olom-bavaka ihany koa ny kapitenin’ny „Lake Huron”. Nitalaho tamin’Andriamanitra izy mba hahomby io asa sarotra sy mampidi-doza io. Dia izany tokoa no nitranga : zara fa ampy hery ny sambony, hitaritana ny „Spree” ; ary zara fa ampy ny arina nahafahana, tao anatin’ny enina andro, nitody tamina seranana iray. Fanafahana mahatalanjona… „Izy no mamonjy sy manafaka” (Daniela 6:28).