Alatsinainy 23 Novambra 2026

Fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana… izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento. Romana 8:20, 22

Fa izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy … Andriamanitra marina sady Mpamonjy ; eny, tsy misy afa-tsy Izaho. Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo. Isaia 45:18, 21, 22

 

Fanovana manaja ny tontolo iainana

Ny toekarenan’ireo firahamonina tandrefana, mifototra amin’ny fitomboana, dia mitarika ho amin’ny famokarana be loatra, ka haha lany ritra ny loharanon-karena voajanahary. Io toekarena io dia miteraka fandanilaniam-poana, fandotoana ny tontolo iainana, sns. Misy olona mandroso hevitra ho amina „fanovana mikajy ny tontolo iainana”. Izany dia manomboka amin’ny „fahatongavan-tsaina momba ny harefon’ity planetantsika ity sy ny maha mety ritra ny loharanon-karenany. Dia mitarika mba hampihena ny fanjifantsika izany… sy hanisatra ny fivoarana ara-teknika sasantsasany.”

Mendri-piderana tanteraka izany fiovana fomba fiaina izany. Ahoana moa no tsy halahelo, mahita ity tanintsika ity, izay tsara indrindra tamin’ny nivoahany avy teo an-tanan’Ilay Mpahary, nefa simba noho ny ataon’ny zanak’olombelona ? Fa ny Baiboly dia mbola mandeha lavitra kokoa. Hazavainy antsika fa ireny zavatra tafahoatra atao ireny, ireny fihasimbana ireny, dia vokatry ny tsy fankatoavan’ny olona Ilay Mpahary azy. Tafiditra teto amin’izao tontolo izao ny ota, ary ny fitsiriritana mitoetra ao anatin’ny fon’ny olombelona dia mitarika faniriana hanana betsaka kokoa hatrany. Mijaly noho izany ny voary (Soratra Masina androany).

Ambaran’ny Baiboly antsika fa aorianan’ny vanimpotoanan’ny fitsarana, dia hiverina indray ho amin’ny hakantony tany am-boalohany ny voary : „Ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo” (Isaia 55:12).

Eo am-piandrasana izany, ny laharan-kamehana dia fiovana anaty. Manomboka amin’ny fibebahana izy io, izany hoe miaiky amin’Andriamanitra ireo fahadisoantsika. „Mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo” (Asan’ny Apostoly 3:19). Ny fiovampo, ny fitodihana indray, dia fiverenana amin’Andriamanitra. Ny fanekena fa Jesosy Kristy no nanefa ny sara hanafahana antsika amin’ny tsy fankatoavantsika, no ahafahantsika mandray fo vaovao maniry hahafaly Azy.