Alahady 22 Novambra 2026
Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ny hazofijaliana. 1 Korintiana 2:2
Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin’ny vehivavy hoe : … Fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin’ny hazofijaliana, no tadiavinareo. Tsy ato Izy, fa efa nitsangana. Matio 28:5-6
Any amin’ny morontsiraky ny firenena sinoa, eo an-tampona havoana ahatazanana ny faritr’i Macao, dia nisy katedraly goavana natsangan’ny Pôrtogey tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-17. Nefa tamin’ny taona 1835 dia nisy rivodoza nitarika doro tany lehibe nandrava ilay tranobe, ka tsy namela afa-tsy tavan-trano ijoroana hazofijaliana. Manohina fatratra io tavan-trano io, ary raha jerena maika dia tahaka sombina trano lehibe mahafinaritra, nefa, raha ny marina, dia tsy misy na inona na inona intsony ao ambadik’io rindrina io, izay miendrika ravaka kokoa fa tsy tranobe mafy orina.
Ny ranomasina, izay matetika misamboaravoara eo amin’ny lafin’io morontsiraka io, dia niteraka faharendrehana maro, nefa ilay hazofijaliana lehibe mora tazana dia nanjary marika ho an’ny mpiantsambo maro notandindomin-doza. Nitari-dalana azy ireo ho any amin’ny fialofana sy ny famonjena izy io.
Sary tena manaitra io katedraly rava io ! maneho ny toetran’ny tontolo kristiana ankehitriny. Io rindrina lehibe miravaka io dia afaka maneho an-tsary izay rehetra naorin’ny olona, nalahany, nasiany ambaratonga. Na matanjaka sy miezinezina toy inona aza ny fijery azy, io zavatra naorin’ny olombelona io dia endrika ivelany ihany sisa. Nefa mitoetra ho vavolombelona zavamisy tokana eo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona io rindrina io, dia hazofijaliana nahafatesan’Ilay Mpamonjy izao tontolo izao. Hazofijaliana tazan’ireo rehetra rendriky ny fiainana, ary fahagagana mihavao mandrakariva, afaka mitondra azy ireo ho amin’ny famonjena.
Ireo rehetra mitodika am-pinoana amin’i Jesosy, Izay nivesatra ny fahotan’izy ireo sy nanonitra izany teo amin’ny hazofijaliana, dia mandray famonjena mandrakizay. Izy ireo no mandrafitra ny Fiangonana maneran-tany sy tsy mety rava, izay aorin’ny Kristy eo amin’ny fanorenan’ny asany teo amin’ny hazofijaliana.