Asabotsy 21 Novambra 2026

Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo, satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin’ny Zanany. Romana 8:28-29

 

Ireo fitaovana anofanan’Andriamanitra antsika

Ny bolongam-batovandana vao notrandrahina dia mbola tsy hay ampiasaina na amin’inona na amin’inona. Tsy maintsy hiasa ela ny mpanao sokitra, hampiasa fitaovana maro samihafa, mba hahavoahany sanganasa mahafinaritra jerena.

Toy izany koa ny kristiana. Tamin’ny fotoana nahatonga an’i Jesosy ho Mpamonjiny, dia tahaka io bolongam-bato tsy misy endrika io izy. Hikarakara azy Andriamanitra, hamolavola azy araka izay tiany, amin’ny alalana fitaovana maro samihafa. Ampiasainy ny Baiboly, izay Teniny, mba hampianarana azy, ary ampiasainy koa ny toejava-mitranga eo amin’ny fiainana, indrindra ireo fitsapana : aretina, loza tampoka, tsy fahombiazana amin’ny fianarana, na amin’ny asa fivelomana, na eo amin’ny fitiavana… Eo am-pelatanany avokoa ny zavatra rehetra, hanaovany izany. Maharary, indraindray, ireo fitaovana ampiasain’Andriamanitra, nefa aza hadinointsika mihitsy fa ny tanany no mikirakira ireo, mba hahasoa antsika amin’ny farany.

Koa fantatsika fa tsy misy na inona na inona avy amin’ny kisendrasendra, satria Andriamanitra no mifehy ny zavatra rehetra. Ny heriny tsy toha sy ny fitiavany no miasa, mba hahasoa ny zanany. Fahatoniana toy inona moa izany no tokony hananantsika ! rehefa mihatra amintsika ny fitsapana.

Ary inona moa no tanjon’Andriamanitra ? Toy ny mpanao sokitra manana modely eo anoloany, ezahiny haseho ao amin’ilay vato, Andriamanitra dia manana modely koa, izany hoe ny Zanany, Ilay Olona lavorary. Te hampiorina ao anatintsika ireo toetrany Izy : te hahatonga antsika ho mahari-po, manetry tena, mahitsy fo, feno antra, feno fitiavana… ary maka izay fotoana ilaina Izy, mba hampisy izany vokatra izany eo amin’ny fiainako sy eo amin’ny fiainanao.