Zoma 20 Novambra 2026
(Hoy Jesosy :) Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo ; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Jaona 13:34
Raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika. 1 Jaona 4:11
Mampanontany tena antsika ny tenin’ny Soratra Masina androany : Andriamanitra mandidy antsika mba hifankatia. Nefa ahoana no hahafahako mitia, amin’ity foko ratsy aoka izany hatrany am-pahariana ? Vao niandoha ny tantaran’ny zanak’olombelona, dia namono an’i Abela rahalahiny i Kaina ; mampiseho izany, hoe fankahalana no ao am-pon’ny olombelona, fa tsy fitiavana !
Miantefa amin’iza io „didy vaovao” io ? Amin’ireo izay efa nankatò Ilay Andriamanitra Mpamonjy mandidy hibebaka sy hino ny Tompo Jesosy (takelaka omaly). Amin’izay no lazain’ny Tenin’Andriamanitra fa ny fitiavan’Andriamanitra dia nampidinina ho ao am-pon’izy ireo, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, Izay nomena azy ireo (Romana 5:5). Izaho izay tena tsy nankatò, tsy nahay nitia Ilay Andriamanitra Mpahary ahy, dia afaka manaiky ankehitriny hofenoin’io fitiavan’Andriamanitra io, izay hihoatra hitobaka amin’ny hafa. Manomboka hatreo, ny Tompo dia mandidy ahy hanao zavatra vaovao, izay tsy haiko natao talohan’ny fiainako vaovao : mitia ny hafa toy ny nitiavan’ny Mpamonjiko ahy !
Ny Tompo Jesosy dia nanompo, niaina tanaty fahantrana, nijaly, nanolotra ny ainy. Mandidy antsika hitia Izy ankehitriny, toy ny nitiavany, hitia ny vadintsika, ny kristiana rahalahy sy anabavintsika, ny namantsika, ny mpiara-monina amintsika, ny fahavalontsika. Io fitiavana io dia tsy aseho amina teny, fa amin’ny asa sy amin’ny marina : vonona hanompo ny hafa toy ny nataon’ny Tompo Jesosy, vonona hizara ny fananako amin’ny rahalahiko tsy manana, vonona hiara-mijaly amin’ireo rahalahy sy anabaviko mpino, vonona handà ny tenako, mety ho hatramin’ny fahafatesana angamba (1 Jaona 3:16-18).
(hitohy amin’ny heriny)