Alakamisy 19 Novambra 2026
Tsy misy hafa, fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra. Romana 3:22-23
Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra. Asan’ny Apostoly 10:34
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Matio 19:19
Ireo hevitra iraisan’ny besinimaro dia matetika mampiasa ny tovana „phobe” (amin’ny teny frantsay), mba hilazana fihetsika mankahala na mandà sokajin’olona sasantsasany : ny „christianophobe” dia mandà ny kristiana, ny „islamophobe” mandà ny silamo, ny „homophobe” mandà ny firaisana samy lehilahy na samy vehivavy, sns. Manjary miely kokoa hatrany io fampiasa io, amin’izao andro iainantsika izao…
Tsy mampalahelo ve ny manameloka, noho ny fitsarana an-tendrony na hevitsika, ireo olona asain’ny Baiboly raisintsika ho „namana” ? „Andriamanitra… tsy mba mamingavinga” (Joba 36:5) an’iza na iza, tiany amina fitiavana tsy misy fepetra ny olombelona rehetra. Ary angatahiny isika hanaja ny olona rehetra (1 Petera 2:17).
Mandidy ny tsirairay hibebaka anefa Izy, mandidy azy hiaiky ny toetrany ara-pahariana lavitra an’Andriamanitra, ny tsy fankatoavany ireo zavatra takin’Andriamanitra. Izay manao izany sy mino an’i Jesosy Kristy dia manjary kristiana, tsy noho fomba nifandovana na kolontsaina ara-pivavahana, fa amina finoana manokana.
Ny kristiana dia tsy afaka hanaraka izay rehetra fihevitra na fomba fiaina, nefa mandray ny mpiara-belona aminy ho lehilahy sy vehivavy tian’Andriamanitra sy tiany hovonjena (1 Timoty 2:3-4). Taomin’ny Baiboly izy tsy hanilika ny namany, fa handray azy aza, hanampy azy, hitari-dalana azy hanatona ny Mpamonjy. Raha fintinina dia hoe : ho tia azy „tahaka ny tenany” (andinin-tSoratra Masina voalaza etsy ambony).