Alarobia 18 Novambra 2026
Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. Isaia 55:6
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko —Mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo. Isaia 55:3
Carmen dia tovovavy salama tsara, saingy mahatsiaro ho mijaly. Miaina ao anaty tebiteby izy, indrindra ny tahotra ny ho faty. Nanolo-kevitra azy hivoaka sy hiala voly ny namany iray, ary nampirisika azy ho any amina fampisehoana hataona mpitendry zavamaneno malaza iray. Nisalasala i Carmen ny amin’ny soa ho azony amin’izany, nefa nanaiky ho resy lahatra ihany, nony farany.
Tsy notadidiny tsara ny ora marina hanaovana ilay fampisehoana. Lasa eritreritra lavitra izy, tonga teo anoloana efitrano kely iray nisy olona vitsivitsy monja niandry. Nanaraka azy ireo izy ary nipetraka, nefa hitany toa hafahafa ny zavatra rehetra. Tsotsotra ilay toerana, tsy nisy nitaky tapakila fidirana taminy, ary toa hafahafa taminy ny fihetsiky ny olona teo. Nony kelikely dia nisy olona nanonona laharan-kira fihirana. Koa tonga saina i Carmen fa diso efitrano nidirana, ary nanapa-kevitra hivoaka mangingina. Izany no nokasainy hatao, nefa noho ny fikoropahany dia latsaka ny elony. Nitodika ny olona, ka niverina nipetraka izy.
Dia nitsangana hivavaka ny olona rehetra tonga teo. Nihaino i Carmen. Mbola tsy nahare zavatra toy izany mihitsy izy, tany aloha. Nangataka tamin’Andriamanitra ny evanjelista mba hitahy ny teny izay hovakina ao amin’ny Baiboly. Dia namaly ireo fanontaniana rehetra nampiady saina azy hatry ny ela ny hafatra nentin’ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy, ka nameno ny fony tamin’ilay fanantenana tena nilainy fatratra.