Talata 17 Novambra 2026
Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, na any amin’ny lanitra, na etỳ ambonin’ny tany, na any amin’ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra. Salamo 135:6
Ampianaro hanao ny sitraponao aho ; fa Ianao no Andriamanitro. Salamo 143:10
Ny andinin-tSoratra Masina androany dia mampahatsiahy antsika ny fiandrianan’Andriamanitra. Izy no nahary ny zavatra rehetra, ary Izy no mampaharitra ny zavatra rehetra (Kolosiana 1:16-17). Eo ambany fandidiany izao tontolo rehetra izao. Andriamanitra no tompon’ny fahefana eo amin’ny tantaran’ny olona sy ireo firenena. Isika anefa dia tsy soloolombelona. Tompon’andraikitra isika, amin’ny safidintsika sy ny fomba fiainantsika.
Ny mpaminany Mikaia dia nanambara ny tenin’Andriamanitra tamin’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely (jereo 1 Mpanjaka 22:19-38). Nampitandremany izy, fa raha mikiry te hiady amin’i Syria, dia ho lavon’ny sabatry ny miaramila syriana. Nandà tsy hiova hevitra i Ahaba, na teo aza ireo fampitandremana, ka nogadrainy ilay mpaminany mba hampangina azy. Nihevitra mihitsy aza izy fa ho afaka manohitra ny teny faminaniana, rehefa mandray ireo fepetra fitandremana rehetra, mba tsy hisy hahafantatra eny amin’ny sahan’ady. Nanova fitafy izy, sy nitaona ilay mpiara-dia taminy, ny mpanjakan’i Joda, hitafy fitafiana mpanjaka, ary nihevitra fa ho lasibatra tena mety io lehilahy io. Ohatra ny hahomby ny tetika. Tsy niraharaha azy ny miaramila syriana fa nifototra tamin’ny fanafihany ny mpanjakan’i Joda. Kanjo „nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan’ny Israely teo anelanelan’ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny” (1 Mpanjaka 22:34). Ny harivan’io ihany dia maty i Ahaba, noho ny ratra nahazo azy.
Mety hiteny ny sasany hoe : „Vintana ratsy lahy izany !” Nefa tanteraka ny nampilazain’Andriamanitra ny mpaminaniny. Tompon’ny fahefana Izy. Tetsy ankilany kosa, Ahaba dia tompon’andraikitra tanteraka tamin’ny safidiny. Hoy Andriamanitra amintsika : „Ho to ny fikasako” (Isaia 46:10).