Alatsinainy 16 Novambra 2026
Fa fahafatesana no tambin’ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 6:23
Vao avy nilazana fahafatesan’olona aho. Taorianan’ny teny vitsivitsy momba io olona io, dia hoy ilay niresaka tamiko, namintina ny teniny : „Atao ahoana moa… izany no fiainana.” Izay indrindra, tsy nisy resaka fiainana intsony tamin’io fotoana io, fa fahafatesana. Dia inona izao no holazaina ? inona no hatao ?
Ao amin’ny Baiboly manontolo, Andriamanitra dia miresaka amintsika momba ny fiainana sy ny fahafatesana ; ndao hihaino Azy. Ambarany mazava amintsika fa ny fahafatesana dia „tamby”, karama vokatry ny ota. Tsy misy olona afaka miala amin’izany : „Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra” (Romana 5:12). Tsy manana loharanon-kery ny olona, eo anatrehan’Andriamanitra : voatsara izy hoe meloka sady tompon’andraikitra. Tsy vitan’ny hoe iharan’ny fahafatesana ara-batana fotsiny izy, fa mizaka ihany koa ny fisarahana mandrakizay amin’Andriamanitra, fisarahana antsoin’ny Baiboly hoe „fahafatesana faharoa” (Apokalypsy 20:14).
Mahatalanjona anefa, fa Andriamanitra tenany mihitsy no tonga manome antsika fanafahana amin’ny fanamelohana mendrika antsika : nasainy nisolo toerana antsika ny Zanany, mba hizaka ny famaizana noho ireo fahotantsika. Amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesosy aho dia afahana amin’ny fahafatesana mandrakizay, ary „tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana” (Jaona 5:24). „Fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika”.
Ny mpino izany dia mahalala, rehefa ho faty, fa manana ny ain’Andriamanitra izy, fanomezana noho ny fahasoavany tokoatokoa. Hoy Jesosy aminy : „Izay mino ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray” (Jaona 11:25).