Alahady 15 Novambra 2026
Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra ; ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala ; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe : Ianao no Zanako malalako ; Ianao no sitrako. Lioka 3:21-22
Ao amin’ny tantarain’ny Lioka 3, Jaona Mpanao batisa dia miantso ny olona hibebaka, mba handraisany ny Mesiany. Maro ny natao batisa sy niaiky ny fahotany.
Jesosy koa dia nanatona an’i Jaona mba hatao batisa. Tsy nanana ota hiekena Jesosy, nefa dia nanaiky hiaraka tamin’ireo mpanota nibebaka ireo. Niala avy tao anaty rano Jesosy, nisokatra ny lanitra, ary nidina tahaka ny endriky ny voromailala ny Fanahy Masina, ka nipetraka teo amboniny. Nambaran’ny Ray avy tany an-danitra ny fankasitrahana hitany ao amin’i Jesosy Zanany malala.
Fanambarana vaovao anie izany e ! Samy teo ireo Telo mandrafitra ny maha Andriamanitra. Andriamanitra Zanaka dia teo, tao amin’i Jesosy, Ilay Andriamanitra tonga nofo (1 Timoty 3:16). Andriamanitra Fanahy Masina dia nipetraka teo amboniny, mba hanondroany Azy mazava. Ary farany, Andriamanitra Ray dia nanambara ny fankasitrahana feno hitany ao amin’ny Zanany.
Ao amin’ny Testamenta Taloha, Andriamanitra dia naneho ny tenany tamin’ny mpino ho Andriamanitra tokana. Tsy manozongozona izany anefa io fisehoan’ny Telo Izay Iray io, Andriamanitra Ray, Andriamanitra Zanaka, ary Andriamanitra Fanahy Masina, fisehoana mampiavaka ny finoana kristiana. Talohan’ny nandaozan’i Jesosy ny mpianany, dia nandidy azy ireo Izy hanao batisa ireo izay hino Azy, ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina (Matio 28:19).
Zava-miafina tsy hain’ny sain’olombelona takarina izany. Ireo Andriamanitra telo ireo dia samy manana ny toetra maha Andriamanitra Azy tsirairay, Iray Izy ireo, nefa dia miavaka tsara ! Ny fisiany mandrakizay dia mifanaraka amin’ny toetran’Andriamanitra, satria „Andriamanitra dia fitiavana” (1 Jaona 4:8, 16). Io fitiavana io dia niseho hatrizay hatrizay, teo amin’ireo fifandraisana eo amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.