Asabotsy 14 Novambra 2026
Fa ny atao rehetra dia hoentin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy. Mpitoriteny 12:14
Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy. Romana 8:1
„Mpitsara marina Andriamanitra” (Salamo 7:11). Rehefa mahita ny tsy fahamarinana atao eto amin’ity tontolo ity ny olona maro, dia miampanga an’Andriamanitra ho tsy miraharaha ny zavaboariny sy ho tsy marina. Nefa Andriamanitra dia mahafantatra tsara izay rehetra mitranga eto an-tany. „Ny familiana ny rariny amin’ny olona… ny famadihana ny adin’ny olona, dia samy tsy sitraky ny Tompo” (Fitomaniana 3:35-36). Maharitra miandry Andriamanitra, alohan’ny hitsarany am-pahamarinana, miandry ny fibebahan’ny fontsika. Hitsara araka ny fahamarinana Izy, amin’ny andron’ny fitsarana marina, ka hamaly ny olona tsirairay araka ny asany, tsy hanavakavaka.
Ny tsy rariny lehibe indrindra natao teto amin’ity tontolo ity ve, tsy ny fanamelohana sy ny famonoana Ilay hany Marina ? dia Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Nefa dia navelan’Andriamanitra hatao izany… Satria ny heloka bevava izay ratsy indrindra nataon’ny olombelona dia nanjary fitaovana avy amin’Andriamanitra, mba hahazoan’ny olombelona fanamarinana, hahatonga azy ireo ho marina eo anatrehany. „Kristy… efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra” (1 Petera 3:18). Teo amin’ny hazofijaliana Jesosy dia nitondra ny fahotan’ny mpino, mba hanaisotra izany tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra. Nisolo toerana antsika Izy, nizaka ny fitsaran’Andriamanitra. Dia tontosa ny fepetra takin’ny fahamarinan’Andriamanitra, nefa koa ny fitakian’ny fitiavany. Andriamanitra dia „marina… sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy” (Romana 3:26). Ny finoana an’i Jesosy Kristy no ananantsika antoka fa tsy hohelohina mihitsy isika (Soratra Masina androany). Izany no fahamarinan’Andriamanitra. Aza lavintsika izany famelan-keloka feno sady maimaimpoana izany.