Zoma 13 Novambra 2026

(Hoy Jesosy momba ny Rainy :) Fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny. Jaona 12:50

Fa ankehitriny Izy (Andriamanitra) mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka. Asan’ny Apostoly 17:30

 

Andriamanitra mandidy (2)

Hitantsika teo aloha fa ireo didin’Andriamanitra dia nomeny mba hahasoa antsika. Fony mbola tsy nankatò isika, dia nanohy nanome didy antsika Ilay Andriamanitra fahasoavana : hibebaka noho ny toetrantsika, mba hahazo fiainana mandrakizay. Satria Andriamanitra dia Andriamanitra Mpamonjy, Izay tia ny olona rehetra ho voavonjy sy ho tonga amin’ny fahalalana ny marina. Misy Mpanalalana iray eo amin’Andriamanitra sy ny olona mpanota sy tsy mpankatò, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra (jereo 1 Timoty 2:4-6).

Vaovao mahatalanjona : Andriamanitra, noho ny fahasoavany, dia nanome antsika Mpamonjy, ao amin’i Jesosy ! Izy no Ilay olona nankatò tetỳ an-tany, tsy nanana ota, ary nanefa teo amin’ny hazofijaliana, tao Golgota, ny saran’ny tsy fankatoavantsika. Teo Izy nivesatra ireo fahotantsika ary nizaka ny famaizana mendrika antsika. Dia afaka manamarina antsika maimaimpoana amin’ny fahasoavany Andriamanitra, noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy (Romana 3:24). „Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31).

Ny fahasoavan’Andriamanita dia fanomezana mahafinaritra manan-kery mandraka ankehitriny, nefa tsy maintsy raisintsika. Efa nandray azy io ve ianao ? „Izay mino Azy (an’i Jesosy) dia tsy helohina ; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra izy” (Jaona 3:18). Ndao hihaino tsara ny feony anio. Andriamanitra dia mandidy antsika handray ny famonjena atolony antsika ao amin’i Jesosy Kristy, mba hahasoa antsika ho mandrakizay ! Satria tia antsika Izy !

(hitohy amin’ny heriny)