Alakamisy 12 Novambra 2026
Izay tsy niaro ny Zanany lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra ? Romana 8:32
Tamin’ny fotoanan’ny fanenjehana ara-pivavahana tany amina firenena iray any Amerika latina, dia nisy kristiana iray niafina tao amina rihana kely ambany tafontrano, tao ambadika antontan-drantsankazo lehibe. Nisava ny trano manontolo ireo miaramila, saingy tsy nahita azy… nefa avy eo dia nitoetra tao ambany rihana. Tsy ela dia nahatsiaro noana io mpino io, ka nivavaka momba izany, tao am-piafenany. Henon’Andriamanitra izy, ka isanandro dia nisy akohovavy iray niditra teo amin’ny varavarankely mba hanatody teo anilany. Nahagaga fa tsy mba nikoràka mihitsy io akoho io rehefa avy nanatody, toejavatra tsy maintsy ho nanaitra ireo miaramila. Rehefa afaka dimy ambinifolo andro dia lasa ireo miaramila : afaka ilay kristiana.
Izany fahagagana izany ve tsy fanehoana mampihetsi-po ny hamoram-panahin’Andriamanitra, Izay mamaly vavaka ? Aminy dia tsy kely loatra na lehibe loatra ireo olantsika. Tsy misy na inona na inona manampoka Azy.
Mahazo antsika rehetra, ao anaty toejava-mitranga isan-karazany, ny hoe mila fanafahana, mila vonjy. Voalohany indrindra, araka ny maha olona mpanota antsika, dia mila Mpamonjy isika hanafaka antsika amin’ny fitsaran’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia masina. Jesosy io Mpamonjy io : nisolo toerana antsika Izy teo amin’ny hazofijaliana, nizaka ny famaizana antsika, tamin’ny nandraisany teo amin’ny tenany ireo fahotantsika. Manaraka izany, eo amin’ny fiainana maha kristiana antsika, dia mila ampiana isanandro koa isika ; izany no antony itaomana antsika hivavaka am-patokiana amin’Ilay Andriamanitsika, mba „hahitantsika fahasoavana, ho famonjena amin’izay andro mahory” (Hebreo 4:16).
Afaka miaraka maro koa isika, mivavaka aminy. Tamin’ny fiandohan’ny Fiangonana, ireo mpino dia „nahery nangataka tamin’Andriamanitra” (Asan’ny Apostoly 12:5). Ndao hanao toy izany koa !