Alarobia 11 Novambra 2026
Noho ny habeazan’ny fampahoriana no itarainan’ny olona ; eny, minananana izy… Nefa tsy misy manao hoe : Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy ? Joba 35:9-10
Ry Tompo ô… ny fisentoako tsy mba miafina aminao. Salamo 38:9
Asa fampihorohoroana, loza voajanahary isan-karazany, valanaretina, ady… Feno mandrakariva ny tobim-pitsaboana, hita hatraiza hatraiza ny fijaliana.
Vao avy niharana zava-doza ve isika ? Raha eny, ahoana ny fihetsitsika ? Tazonintsika samirery ve ny fijaliantsika ? Ny hiaka fangirifiriantsika ve miantefa amintsika irery ihany sy amin’ny manodidina antsika ?
Isika ve ho anisan’ireo izay mijaly nefa tsy miantso vonjy amin’Andriamanitra na indray mandeha aza, fa mamoaka hiaka miampanga Azy ? Dia tsy maintsy hiteny amintsika ve Andriamanitra ? hoe : „Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy” (Hosea 7:14). Isika ve tsy matetika nanadino ? nanao tsinontsinona na toy ny tsy misy ilay hany fanafana amin’ny fahoriantsika. Io fanafana io dia avy amin’Andriamanitra tenany mihitsy !
Mandresy lahatra antsika i Satana, amin’ny tsy marina nefa indraindray mahomby, hoe Andriamanitra dia lavitra sy tsy miraharaha izay fijaliantsika. Ny zavamisy dia hoe i Satana no tsy mahalala ny atao hoe fitiavana, hatsarampo, famindrampo.
Amin’Andriamanitra dia tsy misy, na iray akory aza, amin’ny zavaboariny mijaly ka tsy mahonena Azy. „Ny fiantrany dia eny amin’ny asany rehetra” (Salamo 145:9). „Lehibe ny famindrampony”, ary „tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany” (1 Tantara 21:13 ; Fitomaniana 3:22-23).
Noho izany ireo hiaka fahoriantsika dia tokony haka endrika fiantsoana an’Andriamanitra ! Hahare Andriamanitra, „Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy” (Salamo 46:1). Hentitra ny fampanantenany, hoe : „Antsoy Aho, dia hovaliako ianao” (Jeremia 33:3).