Talata 10 Novambra 2026
Ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo. 1 Samoela 16:7
Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko ; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro ; ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin’ny làlana mandrakizay aho. Salamo 139:23-24
Andriamanitra mijery ny fo
Omentsika lanja lehibe loatra
Ny endrika sy ny seho ivelany…
Mba hikolokoloana ny lazan’ny tena,
Dia afaka mamitaka isika, afaka manodoka,
Afaka mitady ny voninahitra, mitady ny laza.
Haingana aoka izany dia miseho ny avonavona…
Nefa Andriamanitra tia ny fanetrentena,
Tia ny fankatoavana ny fiheviny.
Ny olona mijery ny eo ivelany,
Ianao kosa, ry Andriamanitray, mahita ny fo maro,
Mahita ireo tsiambaratelony, ry Andriamanitra Tsitoha,
Ianao dia fahazavana sy mahalala ny zava-drehetra.
Misy asa fitiavam-bavaka atao ve ?
Fiekena, zotom-po sy fiantrana.
Asehon’Andriamanitra antsika fa tsy misy vidiny ireo
Raha tsy Izy no mamokatra azy.
Hitany mandrakariva ireo fikasana,
Sy ireo anton’ny zavatra ataontsika.
Amin’ny indray mipy maso dia hahita Azy isika,
Eo anatrehany irery no hijoro.
Haseho avokoa ny natao rehetra :
Ny tsara sy ny ratsy dia haharihary, amin’izay.
Hisy voalohany ho farany,
Hisy olon-tsy fantatra haseho.
Koa ireo manetry tena sy ireo mahitsy fo,
Dia homena voninahitra.
Diniho izahay ary fantaro ny fonay,
Zahao toetra lalina izahay
Ary tariho isanandro isanandro,
Amin’ny fahazavanao sy ny fitiavanao.