Alatsinainy 9 Novambra 2026
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy ! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra. Matio 23:27
Iza moa Ianao ? Hoy Jesosy taminy : Ilay nolazaiko taminareo hatramin’ny voalohany. Jaona 8:25
Ao amin’ireo filazantsara isika dia matetika mahita an’i Jesosy manambara ampahibemaso ny fihatsarambelatsihin’ireo lohandohany ara-pivavahana tamin’ny vanimpotoana niainany : „Raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy… Raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy ; fa izy tia ny mivavaka mitsangana… hahitan’ny olona azy” (Matio 6:2, 5). „Izay rehetra lazainy dia ataovy… fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao” (Matio 23:3). Izany dia tena olana mahakasika antsika rehetra : ny faniriana hitady amin’ny fomba rehetra ny fankasitrahan’ny hafa, ka indraindray mitarika antsika hampisaraka tanteraka ireo antony anaty manosika antsika, andaniny, sy izay hasehontsika na holazaintsika, ankilany.
Ahariharin’i Jesosy io fanetrentena ivelambelany (indrindra eo amina asa ara-piavavahana) io, nefa manafina antony feno fitiavantena sy eboebo. Izy tenany mihitsy no môdely lavorary mampiseho firindrana, fahitsiana, mangarahara sy fanetrentena : iray ihany ny fampianarany sy ny fiainany, lazainy izay maha Izy Azy, ataony izay lazainy. Ireo manontany an’i Jesosy hoe iza marina moa Izy, dia valiany hoe : „Ilay nolazaiko taminareo hatramin’ny voalohany”, izany hoe : Izaho manontolo, Izaho marina tokoa, tsy misy afinafina ; Izaho dia izay rehetra nambarako anareo.
Ny fihatsarambelatsihy dia fahotana lehibe eo imason’Andriamanitra, satria, voalohany indrindra, maneho endrika roa sady mampiseho lainga sy avonavona, nefa koa, satria mandiso ny fijoroantsika ho kristiana vavolombelona, ka mety hahatonga ny hafa hanalavitra an’i Jesosy Kristy.
Aza mody miseho ho izay tsy isika akory isika, ary aoka hangataka ny Tompo hanampy antsika ho marina eo amin’izay ataontsika sy izay lazaintsika, ho marina ao am-pontsika.