Alahady 8 Novambra 2026
Maniry [aho] hiala ka ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany. Filipiana 1:23
Rehefa … mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe : „Ny fahafatesana noresena ka levona”. 1 Korintiana 15:54
Ao amin’ny boky nosoratany hoe „Mianatra ho antitra”, ny dokotera Paul Tournier dia miresaka ny tebiteby manoloana ny fahafatesana ; ary na Jesosy tenany aza dia tsy afa-niala tamin’io tebiteby io. Ny tebitebiny, vokatry ny fikomiako, … ny tebiteby noho ny fahotako, nahatrotraka ny fanahiny tsy nisy ota. Jesosy teo amin’ny hazofijaliana dia tsy maintsy nanefa ny saran’ireo faniratsirako. Nataony izany, ka tamin’ny alalany dia afaka tamin’io trosa io aho.
Noho izany ireo kristiana nino an’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia afaka hiadana am-po mandao ity tontolo ity, ka miteny toy ny apostoly Paoly hoe : „Maniry [aho] hiala ka ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany”.
Izao tontolo izao dia miteny momba ny olona iray miala aina hoe : „Very izy”. Ary raha tsy an’i Kristy izy, dia milaza izany koa ny Filazantsara. „Fa tonga ny Zanak’olona hamonjy ny very” (Matio 18:11). Ny fahafatesana dia fatiantoka, fatiantoka mihoatra noho ny fatiantoka rehetra, nefa tonga Jesosy mba hamonjy ahy amin’izany fahafatesana izany, mba hampiditra ahy ao anaty fiainana feno, amin’ny alalan’ny fitsanganana velona indray.
Indray andro any Jesosy dia hampitafy ahy vatana tsy mety lo, feno voninahitra, araka ny fombam-panahy (1 Korintiana 15:42-44). Vatana toy ny an’i Jesosy taorianan’ny nitsanganany velona indray, rehefa hiakatra eo anilan’ny Ray Izy. Ao anatin’io vatana io aho dia tsy hisy ranomaso intsony, na fisaonana, na fitarainana, na fanaintainana, na fahafatesana (Apokalypsy 21:4). Tapitra hatreo ilay maha olona mety maty. Velona noho ny fahasoavana, amina toetran’Andriamanitra, ary raisina ho ao amin’ny fanatrehan’i Jesosy, miaraka amin’ireo rehetra nino Azy. Dia ho tanteraka, amin’izay, ny teny hoe : „Ny fahafatesana noresena ka levona” (andinin-tSoratra Masina androany).
(araka an’i Bernard Dunand)