Asabotsy 7 Novambra 2026
Ny marina, matoky na dia mby ao amin’ny fahafatesana aza. Ohabolana 14:32
Efa mby akaiky ny andro fialàko. 2 Timoty 4:6
Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Isaia 46:4
„Zavatra iray ny mamelabelatra momba-na zava-mitranga iray, zavatra hafa kosa ny miaina azy io. Mora ny miresaka momba ny fahafatesan’ny… hafa. Fa rehefa miaina ao anatin’ny fotoam-pahanterako aho, sy manakaiky ny fahafatesako, dia miontana ny ato anatiko manontolo. Ny tenako mihitsy aza, araka ny maha izaho ahy manontolo, dia voageja ao anatin’ireo toejavatra farany mitranga amiko eto an-tany. Dia feno tebiteby ny ato anatiko lalina. Ho anjarako tsy ho ela ve „ny fahafatesan’izay maty” (Ezekiela 18:32) ?
Nanoratra tamiko ity namana iray hoe : „Fanirery mangidy ny fahafatesana miha akaiky !” Inona àry no hatao ? Hieritreritra faran’izay kely azo atao ny fahafatesana ve ? Hanary dia ? „Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty” (1 Korintiana 15:32). Tsy afaka manao izany aho. Ny Baiboly, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, dia nametraka tato am-poko fitakiana hifantoka amin’ny zavamisy sy hikatsaka fahamarinana.
Ankoatra izany, ny fahafatesana dia manatona ahy isanandro araka ny fitotonganana, miandalana na mitsitapitapy, mpahazo ny vatako sy ny fahafaha-manaoko. Ianao izay miha antitra, tahaka ahy koa, dia mahafantatra ilay fifandimbiasan’ny hafanam-po sy ny hakiviana. Hafanam-po rehefa mbola mahatsapa ny herintsika. Hakiviana rehefa toa ilaozany, na rehefa mananontanona ny aretina.
Miara-mijaly amina namana mpino aho, rehefa mihena hery izy ireo na halavirin’ny hafa, noho ny taonany. Ary mieritreritra aho hoe : izao izany no miandry ahy… Nefa manao anakampo koa aho hoe ny kristiana dia tokony ho hita mbola matoky mandritra ny fahanterany sy hatramin’ny fahafatesany. Io fatokiana io dia ilay herin’ny finoana an’i Kristy nitsangana velona indray. Mba ho marina izany amin’ny fotoanan’ny fitsapana, dia mivavaka isanandro amin’ny Tompo aho hoe : „Mino aho, vonjeo aho ho afaka amin’ny tsy finoako” (Marka 9:24).”
(hitohy)