Zoma 6 Novambra 2026

Ary Andriamanitra nanao hoe : Misia mazava ; dia nisy mazava. Genesisy 1:3

Ary Andriamanitra nanao hoe : Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika. Genesisy 1:26

 

Andriamanitra mandidy (1)

Dieny tamin’ny fiandohan’ny tantaran’ny olona noforonin’Andriamanitra teto ambonin’ny tany, dia hitantsika ny herin’ny Tenin’Andriamanitra : Andriamanitra niteny hoe… dia nisy izany.

Ny olona dia noarìna tahaka ny endrik’Andriamanitra, lehilahy sy vehivavy, ary avy eo notahina, nomena izay rehetra nilainy (Genesisy 1:28-30). Manaraka izany, araka ny fiandrianany Andriamanitra dia nandidy ny olona tsy hihinana voa avy amin’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy (Genesisy 2:17), satria ho faty raha mihinana izany voa izany. Io no didy voalohany nomen’Ilay Mpahary ny zavaboariny. Tsy voahaja io didy io, satria tsy nankatò i Adama sy Eva. Noroahina izy ireo hiala teo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra, fanatrehana mahatsara, ary tsy maintsy ho faty. Izany no vokatra mampalahelo ateraky ny tsy fankatoavan’ny olona ny didin’Andriamanitra !

Ny fiandohan’ny tantaran’ny zanak’olombelona, izay lazaina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia mampiseho antsika fa nanome didy Andriamanitra mba hahasoa ny zavaboariny. Nefa notarihin’ny fitsiriritany ny olombelona, ka tsy nankatò ireo didin’Andriamanitra, ary izany no nitondra ho amin’ny fahafatesana. „… Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra” (Romana 5:12).

Tena tsy maintsy omentsika an’Andriamanitra mihitsy ny toeram-pahefana tandrify Azy, ary tena tsy maintsy tsapantsika fa ny hahasoa antsika no tanjon’ireo didy omeny antsika : „Inona moa no ilain’i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an’i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin’ny làlany rehetra ary ny ho tia Azy … hitandrina ny didin’i Jehovah … mba hahita soa ianao ?” (Deoteronomia 10:12-13).

(hitohy amin’ny heriny)