Alakamisy 5 Novambra 2026

Feno fitsarana miangatra ny tanàna… Hoy izy : … Jehovah tsy mahita. Ezekiela 9:9

Solon’i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe : mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo. 2 Korintiana 5:20

 

Avelan’Andriamanitra atao

Re matetika ny hoe : „Raha tsara fo sy mahery araka ny lazainareo Andriamanitra, raha Andriamanitra fitiavana Izy, nahoana eto amin’izao tontolo izao no misy fahoriana, herisetra, tsy fahamarinana tsy hay zakaina maro toy izao ?”

Nahoana ?… Satria Andriamanitra manaja ny fahalalahan’ny olombelona. Tsy soloolombelona no noforoniny, fa zavamanana aina manan-tsaina, tompon’andraikitra, afaka manao safidy. Io fahalalahana io anefa dia nampiasain’ny olona aloha mba tsy hankatoavany an’Andriamanitra sy hiainany tsy miraharaha Azy ; avy eo, mba hanomboany teo amin’ny hazofijaliana ny Zanany, Jesosy, ka nisafidianany tamin’izany hanaraka an’i Satana, izay antsoin’i Jesosy hoe „ny andrianan’izao tontolo izao”.

Amin’izao fotoana izao Andriamanitra dia mbola mahari-po, mamela ny olona eo amin’ireo voka-dratsin’ny zavatra ataony sy ny safidiny (jereo Mpitoriteny 8:11). Anio Izy dia miantso ny tsirairay hiverina aminy, hibebaka, hitodika amin’i Jesosy Kristy : mitaona Izy, mitalaho mihitsy aza, fa tsy manery. Ny Filazantsara mampahafantatra antsika ny fitiavan’Andriamanitra dia tsy lalàna ampiharina an-tery tsy akory, fa fanomezana raisina an-tsitrapo.

Andriamanitra dia mbola mandefitra amin’ny tsy fahamarinana sy ny herisetra, nefa hotanterahiny tsy ho ela ny drafitra nataony, hifarana ny fahari-pony efa ela, ka hahita ny maha Tsitoha Azy ny olona rehetra nanao tsinontsinona ny zony sy nandà ny fahasoavany.

„Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana, amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny” (Asan’ny Apostoly 17:31). Io Lehilahy io dia Jesosy Kristy, Izay marina tanteraka teto an-tany, any an-danitra ankehitriny, ary hiverina indray. Amin’io andro io koa, „tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra ?” (Genesisy 18:25)